Adh hevitra – Fifidianana: niaro ny fandaharan’asany ireo kandidà

Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny CCI Ivato ny adihevitra nifanaovan’ny kandidà ho filoham-pirenena telo mirahalahy. Nentina nanohanana ny fandaharan’asan’izy ireo izany.

Nafana ny adihevitra nifanaovan’ny kandidà isany, i Andry Rajoelina sy Raderanirina Sendrison ary Randrianasoloniaiko Siteny teny amin’ny CCI Ivato, halina. Niaro hatramin’ny farany ny vinany sy ny fomba fijeriny izy ireo. Samy nampiseho ny maha-izy azy izy telo miarahalahy.
Ny kandidà Andry Raj­oe­lina izay nitanisa ny zava-bitany sy ny ho fanohizana ny vina tsy maintsy ho tanterahina. Anisan’ny nasiany tsindrim-peo ny tsy tokony hisian’ny krizy intsony. “Isaky ny 5 taona ny fifidianana hanehoan’ny vahoaka ny heviny. Manan-danja izany ka avelao ny vahoaka hisafidy… Tsy fotoanan’ny Tetezamita na fizarana seza intsony izao”, hoy izy. Mbola nohamafisiny ihany koa ny hampiakarana ny harin-karena ho 8 % ka hipaka hatrany anaty vilanin’ny vahoaka malagasy izany. Nohitsiny fa tsy afaka tsaraina amin’ny “Facebook” ny fampandrosoana. “Midina ifotony no ahitana ny fotodrafitrasa vita”, hoy izy.

Tsy taitra
Anisan’ny kandidà nandrasan’ny mpanara-baovao ny laharana faha-11 anaty biletà tokana, Raderanirina Sendri­son. Nizara ny alahelony amin’ny toejava-misy ankehitriny izy. “Takon’ny olana politika ny olan’ny vahoaka”, hoy izy. Tsy mba nisy nihakazakazaka ny hamaha ny sosialim-bahoaka. Ireo vahoaka anefa no afaka mampandroso. “Voavaha izao olana izao rehefa mivaha ny an’ny vahoaka”, hoy izy. Nam­piavaka azy ny tsy fahataitairana manoloana ny kandidà hafa.

Be fiavy
Teny mahery, manao be fiavy kosa no nampiavaka ny kandidà Randrianasoloniaiko Siteny. Hiompana amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny fampandrosoana ifotony ny fandaharan’asany. Ankoatra izay, tsy voafaritra mazava fa nihanona tamin’ny fampitahana ny any ivelany. Manginy fotsiny ny fanaratsiana olona manokana. Nanamafy ny fahavononany amin’ny fifidianana ny tenany.

Randria

Partager sur: