Rakotoarisoa Florent : “Tsy maintsy hisy ny fifidianana ny 16 novambra”

“Hatramin’izao aloha, raha ny ara-panjakana: amin’ny alakamisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika”, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, tamin’ny mpanao gazety teny Ambohidahy, omaly. Malalaka ny fanehoan-kevitra, araka ny And. 10 amin’ny Lalàmpano­renana. Malalaka ny fanehoan-kevitra na avy amin’ny antoko politika, na avy amin’ny olon-tsotra…Misy, ohatra, milaza fa tsy tokony hatao ny fifidianana, zony ny miteny an’izany.

Tsy misy lalàna manery ny kandidà hanao fampielezan-kevitra. Taloha, tamin’ny fifidianana depiote, nisy tsy nanao fampielezan-kevitra fa nigadra tany am-ponja nefa voafidy ihany. Mandamina ny fampielezan-kevitra ny lalàna, fa tsy manery ny kandidà hanao fampielezan-kevitra. Raha misy kandidà tsy manao fampielezan-kevitra noho ny antony manokana toy ny lafiny fitaovana, ohatra: mandeha hatrany ny fifidianana, rehefa ao anatin’ny biletà tokana ny anarany.
Malalaka ny fanehoan-kevitra na ho an’ny fikambanana, na vovonana, na fiangonana, na antoko politika, na lehiben’Andrimpanjakana… Hevitry ny Filankevitry ny vovonana mpanelanelana ny fanemorana fifidianana. Tsy mbola tonga eny amin’ny HCC ny antontan-taratasy fangatahana momba izany. Ny olompirenena nandray anjara amin’ny fandatsaham-bato ihany no afa-mitory momba ny raharaham-pifidianana. 48 ora aorian’ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika no ahazoana manao fitoriana.

R. Nd.

Partager sur: