Nosamborina, omaly, teny Ivato, ny kandidàn’ny antoko Tsara Tahafina, i Paraina Auguste. Nohazonina eny amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava (BC) Anosy, ny tenany hatramin’ny omaly hariva.
Voalazan’ny loharanom-baovao fa nahazo ny taratasy fampiantsoana ity kandidà ity, tokony ho tamin’ ny 1 ora tolakandro, omaly. Namaly ireo mpitandro filaminana ny tenany fa rahampitso (anio) no ho avy eny amin’ny BC. Tsy nahandry izany anefa ny eo anivon’ny polisy misahana ny heloka ana habaka ka izao niroso tamin’ny fisamborana izao, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandron’ny omaly ihany, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.
Voalaza amin’ny vontoatin’ny taratasy ho anton’ny fampiantsoana sy ny nisamborana azy ny fanalam-baraka amin’ny “Facebook” sy ny fanaparitahana vaovao tsy marina. Eo koa ny fanaikana ny olona ho amin’ny fankahalana. Ireo no hanadihadiana ity mpirotsaka hofidina eo anivon’ny Vondron’ny kandidà 10 ity, eny amin’ny BC.
Fitsarana any Londres
Tsiahivina fa anisan’ny lahateny nataon’ny kandidà Paraina Auguste, tamin’ny hetsika nataon’izy ireo teny Itaosy, afakomaly, ny filazana fa voaantso any amin’ny fitsarana any Londres, noho ny resaka kolikoly, ny filoha teo aloha Rajoelina Andry.
Efa nitondran’ny kandidà laharana fahatelo fanazavana izany fa tsy tompon’andraikitra amin’izany velively ny tenany.
Tsiahivina fa tsy mbola tonga nijery an’i Paraina Auguste ireo kandidà 9 hafa namany raha efa teny an-toerana kosa, omaly hariva, ny depiote i Johasy Eléonore, mpiara-dia aminy.
Synèse R.




