Firenena mikambana – Madagasikara: “Mahazo miroso amin’ny fifidianana”

“Matoa ry zareo mandefa mpanara-maso fifidianana ma­robe, ny dikan’izany: afa-mandroso amin’ny fanatanterahana fifidianana i Madagasi­kara”, hoy ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, i Yvette Sylla, taorian’ny fandraisany ireo masoivoho sy vondrona iraisam-pirenena teny Anosy, afakomaly, ny amin’ny dingana fanatanterahana fifidianana filohan’ny Repoblika ra­hampitso. Anisan’ ny manampy an’i Madagasika­ra amin’ny fifidianana ny ONU, ary nanao tombana. Mahazo manao fifidianana i Madagasi­ka­ra, satria mety tsara ho amin’ izany ny zava-misy. Nandefa iraka avy amin’ny departemanta misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny ONU ry zareo, izay nilaza ny amin’ny tsy maintsy hanampiana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny kitapom-bola iombonana enti-manatanteraka ny fifidianana.
Azo lazaina hoe miaraka sy miombon-kevitra amin’ny ONU ireo masoivoho rehetra na ny mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara amin’ny vola sy teknika. Mety izany rehefa ny ONU no miteny hoe mety ny hanatanterahana fifidianana. Miteny koa ireo vondrom-paritra avy aty Afrika toy ny Vondrona afrikanina (UA), ny SADC, ny Comesa, ny COI. Nomeny fahefana ireo hanao ny asa fanaraha-maso ny fifidianana. Tsy afa-miteny ry zareo hoe mety na tsia ny fifidianana, satria firenena manana ny fiandrianany i Madagasi­kara. Na izany aza, afa-manome torolalana ry zareo. Miisa 137 ny mpanara-maso tonga eto Madagasikara amin’izao, izay avy amin’ny ONU, UA, Comesa, SADC, OIF.

R. Nd.

Partager sur: