Vovonana Pan-FFKM: “Hikaro-bahaolana hatrany”

Nanao fanambarana ny Vovonana ho amin’ny fifampidinihana, tarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, (Pan), sy ny avy amin’ny FFKM, teny Tsimbazaza, omaly. Nasongadin’izy ireo tamin’izany fa hanohy ny asany ary mbola miantso ny rehetra ho amin’ny fifampidinihana ity vovonana ity. “Tsy hitsahatra ny hitady vahaolana hipetrahan’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena izahay”, hoy izy ireo. Nanentana ny vahoaka ny vovonana Pan-FFKM tsy ho kivy fa hitondra am-bavaka tsy tapaka ny firenena. Hijoro hatrany izy ireo hitady ny fomba rehetra sy hetsika ahafahana miandrandra ny hirosoana amin’ny dinika ho fanatsarana ny zotram-pifidianana, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.

Synèse R.

Partager sur: