Tsy dia narisika tamin’ny fifidianana ny olom-pirenena nanerana ireo biraom-pifidianana teto Antananarivo, raha ny zava-nisy. Natahotra ny ankamaroan’ireo olona na mety ho nisy na tsia ny fifidianana vao tonga nifidy tsikelikely ny tapany hariva. Vehivavy maherin’ny 35 taona no tena nazoto nifidy tamin’ny ankapobeny. Manodidina ny 428 hatramin’ny 600 mahery ny olona voasoratra anarana nanerana ireo biraom-pifidianana tsirairay izay nanaovana fanadihadiana. Teo anelanelan’ny 120 hatramin’ny 280 teo ny salanisan’ireo tonga nandatsa-bato tamin’izany.
Nahitam-piakarana ny tahan’ny mpifidy, ho an’ny teny amin’ ny biraom-pifidianana CEG Anosibe manokana. Manodidina ny 30 hatramin’ny 40 % ireo nifidy. Be mpifidy ny kandidà laharana faha-3, nandritra ny fandatsaham-bato teny an-toerana. Nampiasa “tablette” ireo tamponandraikitra amin’ny fandefasana valim-pifidianana kanefa tsy mbola mahafehy tsara izany, ho an’ny teny amin’ny fokontany Ankeniheny.
Mino




