Praiminisitra Ntsay Christian: “Hajaina ny safidin’ny tsirairay”

“Hajaintsika ny safidin’ny tsirairay, fa tokony ho hentitra tsara isika. Mba hiaina izany demokrasia izany, fa tsy fitadiavana tombontsoa sy fitiavan-tena no iainantsika ny fampandrosoana an’i Mada­gasikara.” Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny latsa-batony teny Ankorondrano, omaly. Zava-dehibe eo amin’ny tantaram-pirenentsika ny fifidianana, fa tao anatin’ny dimy taona izao, tamin’ny taona 2018: nisafidy ny hiaina ny demokrasia isika. Amin’ity taona 2023 ity, safi­din’ny Malagasy ny hanatevenana izany fiainana ny demokrasia izany eto anivon’ny fi­renena. Zava-dehibe izany amin’ny tantaran’i Madagasi­kara. Satria fanjakana tan-dalàna isika, tany mandala ny demokrasia sy mipetraka ho firenena tsara tantana.
“Tsy misy izany demokrasia izany, raha angalarina ny zo sy ny fahafahan’ny vahoaka mifidy sy misafidy ny filohan’ny Repoblika mandritra ny dimy taona manaraka”, hoy izy. Ny Ceni no mandamina sy mandrindra ny fifidianana eto amintsika, fa manampy amin’ ny ankapobeny ny governemanta. Miara-miasa amin’ny rantsa-mangaikany sy ny mpi­ara-miombon’antoka ny Ceni, ary mandray an-tanana ny olana raha misy izay karazana fanentanana momba fifidi­anana. Tsy ny “facebook” no mibaiko ny fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena. Tsy ny “facebook” koa ny Malagasy.

R. Nd.

Partager sur: