Namoaka fanambarana taorian’ny fahavitan’ny fifidianana ny Vondron’ny kandidà 10. Nohamafisin’izy ireo fa natao amboletra izany ary tsy madio. “Tsy tomombana fa tsy nandraisan’ny rehetra anjara araka ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ambany indrindra teo amin’ny tantaran’ny fifidianana… Takinay ny hirosoana amin’ny fifidianana madio mitondra fifandimbiasam-pitondrana sy fahamarinan-toerana, antoky ny fiainana tsaratsara kokoa ho an’ny Malagasy”, hoy izy ireo. Nanterin’ny fanambarana fa tsy mitondra afa-tsy fahasahiranana sy takaitra ho an’ny firenena izao. Very tanteraka ny fitokisana ny Andrimpanjakana rehetra, tafiditra amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Anisan’izany ny HCC sy ny Ceni ary ny governemanta, araka ny nambaran’izy ireo. Naneho ny fankasitrahany ny vahoaka tamin’ny fanehoana firaisan-kina koa ny Vondron’ny kandidà ary nanamafy fa hanatratra ny tanjona.
Synèse R.




