Jeneraly Ravalomanana Richard : “Tsy ekena intsony ny fanakorontanana fiainam-bahoaka”

Dingana hafa izao… Nambaran’ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jly Ravalomanana Richard fa handray andraikitra ny fanjakana manoloana ny mety hisian’ny fanakorontanana.

“Tsy azo ekena intsony ny fanakorontanana fiainam-bahoaka. Aleo hiaina ny fiainana andavanandro ny vahoaka”, hoy ny filoham-panjakana mpisolo toerana, Jly Ravalomanana Richard, tamin’ny mpanao gazety teny Ambohitsorohitra, omaly, ny amin’ny fahavitan’ny fifidianana. Miandry ny valiny sy ny tohiny ny rehetra. Raha mbola misy manao hetsika tsy nahazoana alalana, ka hanakorontana fiainam-baho­aka: ampy izay.

Manome toromarika ny mpitandro filaminana sy ny solontenam-panjakana handray andraikitra amin’ izany izy. Eo ireo manentana sy mitarika ary mandray anjara amin’izany fidinana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey izany. “Tsy misy fandeferana intsony izao”, hoy izy. Manentana ny vahoaka koa izy ho samy ho tony sy handray andraikitra manoloana ny mpanakarontana. Tsy eo amin’ ny lafiny tsy fitovian-kevitra no hitondrana an’izay, fa eo amin’ny fandikan-dalàna sy fanakorontanana fiainam-bahoaka.
Tsy misy zo tsy azo samborina izany
Efa navotsotra omaly ny filohan’ny vondrona parlemantera Tim, ny depiote Ralam­bo­zafimbololona Fetra. Tsy tokony hisy ny fanaovana tsindry amin’ny famoahana azy manoloana ny fandikan-dalàna ivelan’ny sehatry ny asany, na ao anatin’ny fivoriana ara-potoan’ny parlemantera aza. Tany amin’ny Antenimieram­pirenena sa teny amin’ny arabe izy no nosamborina? Tsy misy ifandraisany izany.

Tsy misy ny zo hoe tsy azo isamborana azy amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: