Voka-pifidianana vonjimaika : nahazo vato 69% ny kandidà Rajoelina

Mirona miandalana any amin’ny fandresen’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, ny voka-pifidianana filoham-pirenena vonjimaika ary tsy ho tonga amin’ny fihodinana faharoa.
Miisa 3 207 ireo Birao fandatsaham-bato (BV), nahazoana vokatra amin’ireo BV miisa 27 337, omaly alina tamin’ny 9 ora. Miisa 16 556 99 ireo mpifidy voasoratra anarana amin’izany ka 647 368 ireo nandatsa-bato.
Nibata ny 69% mahery ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry raha 10,5% kosa ny an’ny kandidà laharana fahadimy, Ravalomanana Marc. Eo amin’ny laharana faharoa amin’ny fahazoana isam-bato ny kandidà laharana faha-13, Randrianasolo­niai­ko Siteny. Nibata ny 11, 12%.
Ankoatra izany, 39, 10% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy amin’io voka-pifidianana io raha 39,56% izany, omaly maraina tamin’ny 9 ora sasany.

Tokony hiandry am-pitoniana
Mampahatsiahy hatrany ny Ceni fa voarara ny famoahana voka-pifidianana ankoatra ny avoakan’izy ireo ao
amin’ny pejy “Facebook” sy ny ao amin’ny tranonkalany. Na­nentana ny rehetra koa ny Ceni mba hiandry am-pitoniana ny vokatra ao anatin’ny fe-potoana faritan’ny lalàna.

Tsiahivina fa azo avy amin’ ny alalan’ireo fitanana an-tsoratra (PV) an-tsary, avy any amin’ny birao fandatsaham-bato ny voka-pifidianana. Maherin’ny 500 kosa ireo mpiasa miara-manatanteraka ny fikirakirana izany eny amin’ ny foiben’ny Ceni, eny Ala­robia. Miasa andro sy alina izy ireo mba ho haingana kokoa, araka ny tratra ny fotoana ahavitan’izany.

Synèse R.

Partager sur: