Lalatiana Rakotondrazafy : “Miandry ny voka-pifidianana ofisialy izao”

Nitondra fanazavana sy ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha mpanorina ny antoko Freedom, Lalatiana Rakotondrazafy. Nambarany fa nizotra am-pilaminana ny fifidianana.

Nitafa tamin’ny mpanao gazetin’ny RFI sy ny gazety Le Monde, ny minisitra teo aloha sady filoha mpanorina ny antoko Free­dom. Namafisiny tamin’izany fa tsy misy krizy politika eto Madagasikara. “Tsy misy krizy politika izany eto. Korontana niniana novolen’ireo kandidà tamin’ny toerana vitsivitsy, matahotra fifidianana no nisy”, hoy izy.
Vaovao diso no naely fa tsy araka ny tena zava-misy marina. Mazava ny tatitry ny mpanara-maso ny fifidianana fa nizotra am-pilaminana iza­ny na teo aza ny indrokely tamin’ny fikarakarana. Tsy nahitana hosoka ihany koa fa tsy araka ny ivoizan’ireo kandidà sasany azy, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, anisan’ny nitondrany fanazavana ny nam­baran’ireo mpanara-maso ny fifidianana momba ny tokony hilana fifampiresahana. “Na­tao ho fanatsarana ny amin’ny fifidianana ho avy izany dinika izany… Efa vita izao ny fifidianana ary miandry am-pahatoniana ny vokatr’izany ofisialy isika. Manomana ny fianianana izao ny tohiny”, hoy izy..
Tatitra tsy mitombina

Etsy ankilany, nitondrany fanazavana koa ny nambaran’ny tale mpanatanteraky ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM), tamin’ny tatitra navoakany, nialoha ny fifidianana. Nan­teriny fa tsy mitombina ny momba ilay ambara fa volan’ny kandidà Rajoelina, mitentina 46 miliara Ar ka niahiahina izany ho kolikoly. “Tsy nohamarinina izany ka takinay ny hitondrana ny porofo mazava… Sarotra ny hatoky sy hino ny tatitra ataon’ny TI-IM, araka ny efa nambaranay… Efa fankahalana ny kandidà Rajoe­lina ny azy ireo”, hoy ihany izy.

Randria

Partager sur: