“Raha ny fifidianana natao teto, eo amin’ny 50% ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy. Nefa tamin’ny fifidianana teo, 40% izany. Tsy ampy eo amin’ny 10% na latsaka kelin’izay ny tsy nifidy, raha mitaha amin’ny fifidianana teo aloha”, hoy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery. Raha nitaona ny olona tsy hifidy ny vondron’ny kandidà, 8 % na 10% eo izany, tokony hifidy an-dry zareo. Tsy marina ny hoe miombon-kevitra amin-dry zareo ny 60% tsy tonga nifidy, raha 40% ihany no nifidy.
Tamin’ny fifidianana teto, na tamin’ny 2013 na 2018 aza: tsy mbola nisy nihoatra ny 50% ny tonga nifidy. Ny antsasaky ny ao anatin’ny lisitry ny mpifidy hatrany no mandatsa-bato. “Aza entina amin’ny adihevitra diso ny olona”, hoy izy. Raha samy nanao fampielezan-kevitra avokoa ireo kandidà, tombanany eo amin’ny 55% ny vato azon’ny kandidà Rajoelina amin’ny fihodinana voalohany.
R. Nd.




