Mitohy ny famoahan’ny Ceni ny fironan’ny voka-pifidianana, filoham-pirenena. Manomboka miakatra hatrany koa ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy.
Efa mihoatra ny 42% izany ny fahavitrihan’ny olom-pirenena nifidy, raha ny vokatra azo avy amin’ny biraom-pifidianana miisa 8 600 amin’ny 27 375. Izany hoe, naharaisana vokatra izany ny 31,42%. Miisa 3 920 857 ireo mpifidy voasoratra anarana amin’io taha io ka nandatsa-bato ny mpifidy 1 660 643. Vato manan-kery ny 1 590 291 raha vato fotsy kosa ny 42 317 ary maty ny 28 035.
Etsy andaniny, mitarika hatrany, nahazo ny vato 63% ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Manaraka azy lavitra kosa ny kandidà laharana faha-13, Randrianasoloniaiko Siteny, nahazo maherin’ny 12% ary any amin’ny fahatelo, ny kandidà laharana fahadimy, Ravalomanana Marc. Nibata ny 11% mahery hatramin’izao.
Tsiahivina fa aterin’ny Sampana mpanisa vato (SRMV) eny amin’ny Ceni ny voka-pifidianana. Anisan’ny ao anatin’izany ny valopy lehibe plastika, mihidy amin’ny alalan’ny lakaoly ary tsy azo vahana afa-tsy indray mandeha ihany. Eo koa ny fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana (PV). Manampy izany ny antontan-taratasy mirakitra ny isam-baton’ny kandidà tsirairay “Feuille de dépouillement – FDP” sy ny lisi-pifidianana vita sonia, mari-pahatongavan’ny mpifidy. Manampy izany ny takelaka fanisana ireo sokajin’ny mpifidy, toy ny taona, lahy na vavy sy ireo biletà tokana, nampiasaina ahitana ny vato manan-kery sy ireo biletà tsy nampiasaina, ny vato maty, ary ny vato fotsy. Eo koa ny taratasy fanamarinana samihafa momba ny tranga niseho teo anivon’ny birao fandatsaham-bato (BV).
Synèse R.




