Nambaran’ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien omaly, fa hihaona amin’ny papa Fransoa ny eo anivon’ny biraon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), amin’ity herinandro ity. Efa fanao isan-taona ny fihaonana tahaka izao, ankoatra ny fihaonan’ny eveka rehetra amin’ny fiketrahana Masina, isaky ny 5 taona, araka ny nambarany. ”Horesahana aminy ny momba ny fiainam-pirenena, indrindra fa ny fizotry ny fifidianana. Efa vonona ny antontan-taratasy avy amin’ny Justice et Paix avy any amin’ny isaky ny diosezy hatreny anivon’ny kaominina mitatitra ny zava-misy momba ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana”, hoy izy.
Etsy andaniny, anisan’ny horesahana amin’ny any Vatikana koa ny momba ny efa nanendrena ireo eveka hitantana diosezy ka ankasitrahana ireo efa tafapetraka amin’ny toerany. Eo koa anefa ny iandrasana ireo fanendrena vaovao ho an’ireo tsy mbola nahazo izany, araka ny nambarany. Hiarahana mijery amin’ny papa Fransoa tahaka izany koa ny momba ny fampivoarana ny fitoriana ny vaovao mahafaly.
Hihaona amin’ny sekreteram-panjakana ao Vatikana, ny kardinaly Pietro Parolin, koa izy ireo.
Tsiahivina fa anisan’ny miara-dalana amin’ny filohan’ny Fem any Vatikana ny filoha lefitra, ny Mgr Rabemahalafy Fulgence sy ny sekretera jeneraly, ny evekan’i Tsiroanomandidy, ny Mgr Randrianantenaina Gabriel.
Synèse R.




