“Azo lazaina hoe hafakely iny fifidianana filohan’ny Repoblika iny izay nisy savorovoro politika, raha oharina amin’ny fifidianana nisy hatramin’izay”, hoy ny tatitry ny fanaraha-maso fifidianana nataon’ny Justice et Paix nentin’ny sekretera jeneraliny, ny pretra Andrianasolo Sata Jean-Noël. Tsy hoe tsy manara-dalàna na tsy ara-drariny ny dikan’ny hoe hafakely, fa ny savarovoro politika no saika namaritra ilay fifidianana: misy ny nitaona ny olona hifidy, tao ny nanentana azy tsy hifidy. Nefa samy mahita ny vokatra azo ny rehetra.
Maromaro ny biraom-pifidianana sahirana tamin’ny fanisam-bato fa tsy nisy jiro. Na an-drenivohitra izany, indrindra tany ambanivohitra. Nisy kaominina maromaro nisy fiatoana ny fanisam-bato, fa mbola nanao fifanazavana ny amin’ny vato manan-kery na tsia. Azo lazaina hoe nandeha tamim-pilaminana ny fifidianana ary nandray anjara tamin’izany ihany ny olom-pirenena.
Araka ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka, tsy anjaran’ny fiangonana ny mamaritra hoe tokony hahemotra na haroso ny fifidianana. Nisy iny ny fifidianana dia nanao fanaraha-maso ny Justice et Paix. Hita fa mbola misy fiverimberenana kely na mety ho betsaka ihany ireo lesoka amin’ny fanatanterahana fifidianana hatramin’izay. Na izany aza, nisaoran-dry zareo ny Ceni, fa nanao ezaka be tamin’ny fikarakarana fifidianana na teo aza ny olana.
R. Nd.




