Olana amin’ny fifidianana : ny HCC no mandray ny fitarainana…

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa anjaran’izy ireo ny ma­moaka ny voka-pifidianana vonjimaika, araka ny voalazan’ny lalàna. Anjaran’ny HCC samirery kosa ny fanambarana ny voka-pifidianana ofisialy. “Tahaka izany koa ny fikirakirana ireo fitarainana sy ny fifanolanana samihafa. Rafitra mahefa tendren’ny lalàna hany afaka misahana izany ny HCC”, hoy izy ireo.

Notsiahivin’ny Ceni fa fito andro aorian’ny naharaisana ireo tahirin-kevitra avy amin’ny Sampana mpanisa vato (SRMV) no fe-potoana voafaritry ny lalàna ahafahana mikirakira ny voka-pifidianana. Nampiasaina tamin’izany ny fitaovam-pitaterana rehetra. Anisan’izany ny fiaramanidina, ny angidimby, ny fiara tsy mataho-dalana. Eo koa ny fampiasana moto mba hanajan’ny Ceni izany fe-potoana izany. Efa nanambara rahateo ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsene, ny andron’ny fifidianana ny 16 novambra teo, fa hambara amin’ny 25 novambra ny ny voka-pifidianana vonjimaika.

Synèse R.

Partager sur: