Filohan’ny Fanavaozana: “Fotoana itsaran’ny vahoaka ny mpitondra izao”

Nitarika ny lanonam-panokafana ny hetsika “Festival du citron”, tany Manandriana ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, mivady. Nambarany fa fotoana hitsarana azy sy ny fitondrana tarihiny izao.

“Fotoana itsaran’ny va­hoaka ny mpitondra izao”. Io ny kabarin’ ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, tamin’ny fanombohana ny “Festival du citron”, tany Manandriana, Amoron’i Ma­nia, ny faran’ny herinandro teo. Izy filoha no tsaraina voalohany.
Nisy ny lalana 8 km, Ma­nandriana-Manankona, mampitaraina vahoaka, ka nangataham-panazavana tamin’ny talem-paritry ny asa vaventy any an-toerana. Tsy mandoa vola ny fanjakana rehefa tsy vita tsara na ela ny lalana. Sao raisina na vita ratsy aza… Hotsarain’ny va­hoaka ny mpiasam-panjakana amin’ny fanaraha-maso ny asa. Na­no­lotra 100 tapitrisa Ar hanamboaran-dalana amin’ny kaominina 12 eo anivon’ny distrika izy. Samy manara-maso ny rehetra… Tsy mankasitraka ny asa atao tandrametaka sy ny fanodinkodinana volam-panjakana ny filoha. “Mifanka­tiava isika Malagasy tsy hosaratsarahinay mpanao politika. Mitambara hampandroso ny disitrikan’i Manan­driana sy ny kaominina 12”, hoy izy.
Mamokatra voasarimaki­rana i Manandriana, saingy manana olana amin’ny famoahana sy fivarotana ary fanodinana. Efa misy ozinina “One District One factory” (Odof) any an-toerana, saingy misy olana amin’ny fitaovana fitehirizana sy ny pitsopitsony ara-taratasy. Vahaolana ny fitadiavana lalam-barotra, ny fandefasana teknisianina hijery ny ozinina…
Nanolotra vola 50 tapitrisa Ar ho nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ny vahoaka izy, ary 3 tapitrisa Ar ho an’ny raiamandreny nanao sokela fampirisahana ny tanora hanandratra izany. Teo koa ny fitaovana ho an’ny vahoaka toy ny zezika 5 t, bisiliketa 50, vary 26 t, menaka, savony, bosodofotsy, milina fanjairana, “be­quilles” sy “fauteuils roulants” ho an’ny olona manana fahasembanana, “groupe électrogènes” roa…

R. Nd.

Partager sur: