Antoko Hiaraka isika : “Tsy mendrika krizy intsony ny firenena”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Hiaraka isika, taorian’ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika, farany teo. “Tsy misy mahazo tombony amin’ny savorovoro ary tsy mendrika krizy intsony ny firenentsika. Ny fampandrosoana no tokony hiarahana misalahy amin’ izao fotoan-tsarotra maneran-tany izao sy ny maha firenena mbola marefo antsika anatin’ ny fifampiankinana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy izy ireo. Nambaran’ity an­toko ity koa fa hiroso hitsara ny fifidianana ny eo anivon’ny HCC ary afaka mametraka fitoriana ireo tsy afapo. Nian­tso ny rehetra, araka izany, ity antoko naorin’ny Jly Camille Vital ity mba haneho ilay toetra mampiavaka antsika, fatra-pandala ny fihavanana sy ny fifanajana. “Aoka ho tony hatrany amin’ny fivoahan’ny voka-pifidianana ofisialy”, hoy izy ireo. Nanterin’ny Hiaraka isika fa fandresena miezine­zina azon’ny Malagasy iny fifidianana iny ka niarahabany ny rehetra nahay nampiseho ny fitiavan-tanidrazana sy ny fahendrena izy ireo. Afaka naneho ny safidiny an-kalalahana ny tsirairay. Na ireo tsy nisalasala nampiasa ny zony nifidy. Na ireo tsy nampiasa izany.
Niaiky anefa izy ireo fa tsy misy ny fanaperana ary ny isavorovoroan-kilantoana. Aoka hanaja ny safidy malalaka vokatry ny fifidianana ho fisorohana ny korontana. Efa tsy mendrika ny firenena intsony izany, araka ny fanambaran’ny Hiaraka isika.

Synèse R.

Partager sur: