Enina andro taorian’ny an’ny Ceni, hamoaka ny valim-pifidianana ny avy amin’ny HCC. Manana hatramin’ny 4 desambra izy ireo, raha ny voafaritry ny lalàna, saingy ny voalohan’ny desambra izao no nambarany hamoahana izany.
Hotanterahina ny zoma 1 desambra 2023 izao, eny amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenena Ambohidahy, ny lanonana hanambarana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana filoham-pirenena malagasy, avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Raha tsiahivina, ny sabotsy 25 novambra 2023 no namoaka izany ny avy amin’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni).
Araka ny voafaritry ny lalàna, sivy andro aorian’ny fanambaran’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana no tokony hamoaka ny azy ny avy eo anivon’ny HCC. Raha ny voalaza, ny zoma izao no hamoahan’ity rafitra ity izany valim-pifidianana izany, izany hoe, manaraka tsara ny lalàna mipetraka ny famoahana ny voka-pifidianana.
Nisokatra ho an’ny rehetra ny fametrahana fitarainana sy fitoriana. Niisa 15 ny fitoriana voarain’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny HCC. Tamin’ ny andron’ny omaly, anisan’ny nametraka izany ny avy amin’ ny fikambanan’ny raiamandreny ara-drazana.
Raha tsiahivina, tsy miankina amin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni ny an’ny HCC, fa mamerina manao ny fikirakirana rehetra ary mandrakitra izany amin’ny ordinatera ireo voka-pifidianana rehetra amin’ny alalan’ny antontan-taratasy natokana ho azy. Efa feno ny avy amin’ny distrika 119, raha ny tatitra avy amin’ny tomponandraikitr’ity rafi-panjakana misahana ny fifidianana ity.
Araka ny fantatra, tsy ho ela fa ato ho ato dia hanatanteraka ny fianianany ny filoham-pirenena voafidy eo izay marihina fa lany tamin’ny fihodinana voalohany.
Lin




