Fotodrafitrasa eny ifotony: hahazo birao ny faritra Ambatosoa sy Vatovavy

Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny mini­sitra teny Mahazoarivo, afakomaly, ny fametrahana vokatra na “Produit” sy toerana na “Localité” vaovao eo anivon’ny tetibolan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Tafiditra amin’ny famindrana sorabola anaty fandaharanasa “Aménagement de crédit” ahafahana manorina ireo birao ho an’ny faritra Am­batosoa sy ny any Vato­vavy izany ary koa ho an’ny prefektioran’i Maroantsetra.
Hotanterahina aorian’ny fametrahana ireo faritra vaovao ny asa fanorenana.
Etsy andaniny, nankatoa­vina ihany koa ireo asa fanajariana ny toerana hanatanterahana ny asa ary ny fampidirina rano. Tapaka tamin’izany koa fa ny 20% amin’ny tetibola no hampiasaina ho amin’ity taona 2023 ity ho an’ny asa fanorenana ny trano.
Nankatoavina koa ny handoavana ny latsakemboka an­jara volan’i Madagasikara eo anivon’ny Vondrona Afri­kanina (UA) sy ny vondrom-paritra Comesa sy ny Sadc ary koa ny ao amin’ny fikambanana irai­sam-pirenena ho an’i Afrika sy Karaiba ary i Pasifika (OEACP).

Synèse R.

Partager sur: