15 ny antontan-taratasin’ ady voaray fa avy amin’ny kandidà roa sy ny mpanohana azy: ny lah. 3 Rajoelina Andry sy ny lah. 13 Randrianasoloniaiko Siteny, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Ranesa Firiana, teny Ambohidahy, omaly, momba ny voka-pifidianana. Fito andro ny voalazan’ny lalàna tokony hamaliana ny fitoriana na fitarainana. Vitsivitsy izany ka haingana kokoa ny fandinihana sy ny famaliana azy. Misy ny momba ny raharaham-pifidianana sy ny voka-pifidianana: tsy mitovy amin’ny fitanana an-tsoratra (PV) ananan’ny kandidà, ohatra, ny vokatra amina biraom-pifidianana. Mandinika an’izay ny fitsarana; indraindray, misy tena miverina manao fanisana. Miaraka amin’ny hamoahan’ny HCC rahampitso ny vokatra ofisialy ny momba ny fandinihana an’ireo fitoriana sy fitarainana rehetra. “Havoaka ny voka-pifidianana rehefa vonona mba tsy hisian’ ny resaka hoe: maninona no mbola tahirizina ao nefa efa vonona?”, hoy izy. Efa tsindrindaona hahafantatra izany rahateo ny rehetra.
R. Nd.




