Naneho hevitra tao amin’ ny pejy “Twitter” ny kandidà Andry Rajoelina, omaly, ary nanamafy ny efa nambarany tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika, navoakan’ny Ceni, farany teo. Nambarany tamin’ izany fa tompon’ny fahefana ny vahoaka. “Noporofoinareo izany satria zava-dehibe loatra ny fanajana ny safidin’ny tsirairay. Fandresen’ny vahoaka malagasy tsivakivolo ny fandresena azoko”, hoy izy. Notsiahiviny fa endriky ny fahafahan’ny olom-pirenena mifidy sy misafidy ny olona hitondra ny firenena ao anatin’ny 5 taona manaraka ny demokrasia. Isaorana ny maro anisa, naneho ny safidiny tamin’ny alalan’ny fifidianana, taorian’ny voka-pifidianana vonjimaika.
“Nametraka sy namerina fitokisana tamiko ianareo hanohizantsika ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Mitohy ary tsy mitsahatra ny asa hataontsika miaraka”, hoy ihany izy.
Nanteriny fa vonona ny hanolo-tena sy hanao ny ezaka rehetra ary hanakaiky bebe kokoa ny vahoaka hatrany ny tenany. Nisaorany amin’ ny zava-drehetra Andriamanitra.
Tsiahivina fa hambaran’ny HCC, rahampitso ny voka-pifidianana, ofisialy.
Synèse R.




