Rajaonarison Sendra : “Aleo mba hilamina sy handeha ny fiainam-pirenena”

Ahina sy voizin’ny sasany hatrany ny hoe mety hisian’ny krizy politika aorian’ny fifidianana. Mahabe adihevitra… Maneho ny fijeriny ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ONG Zoako, Rajaonarison Sendra: “Aleo mba hilamina sy handeha ny fiainam-pirenena amin’ny fandraisana izay filohan’ny Repoblika vaovao voafidy eo”. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanareo mpanara-maso ny fifidianana teo?
Rajaonarison Sendra (-): Amin’ny ankapobeny, nilamina ny fifidianana tamin’ireo birao fandatsaham-bato nanaovanay fanaraha-maso. Eo amin’ny 500 eo ho eo ny mpanara-maso fifidianana avy amin’ny ONG Zoako. Nanenika faritra vitsivitsy izy ireo toa an’Antananarivo, Marovoay, Mampikony, Port-Berge, Mandritsara, Ambovombe, Toliara, Fianarantsoa I, Antsirabe I…

* Ahoana ny amin’ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy mahabe adihevitra amin’izao?
– Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’ny fifidianana teto amintsika ny fanentanana olona tsy hifidy. Na izany aza, hita hoe betsaka ihany ny olona tonga naneho ny safidiny. Zo fototra ny maneho ny safidiny amin’ny fifidianana. Nahava­riana aza, nisy olona nilahatra tamin’ny birao fandatsaham-bato vitsivitsy: tena hoe naneho ny safidiny, ary ambony kokoa ny taham-pahavitrihana mitaha amin’ny hafa. Na teo aza ny fanentanana tsy hifidy, tonga naneho ny safidiny ny olompirenena. Zo sy safidy ny mandeha mifidy… Raha nanefa ny adidiny izay tonga nandatsa-bato: aminay, toy ny voafidim-bahoaka rehetra ihany izay filohan’ny Repoblika voafidy eo. Satria rehefa izy ny filoha voafidy eo, manana ny ara-drariny sy ara-dalàna izy amin’izay.

* Inona no tokony hataon’ny olompirenena amin’izao?
– Tokony hanaiky izay voka-pifidianana mivoaka eo ny olom­pirenena, tsy hanaiky hosintonin’ireo miezaka manakorontana amin’ny alalan’ny fitakiana samihafa sy ny fidinana
an-dalambe. Tsy mitondra vokatsoa izay… Matoa ireo kandidà ireo nanaja hatramin’ny dingana farany tamin’ny fakana laharana amin’ny biletà tokana, mieritreritra ny hirotsa-kofidina ara-dalàna. Nefa tampoka teo dia nidina an-dalambe noho ny tsy fanekena ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm­pano­renana (HCC) momba ny kandidà iray. Fandrebirebena saim-bahoaka ihany izay, fa tokony hanana ny ara-drariny izay filohan’ny Repoblika voafidy eo. Aleo mba hilamina sy handeha ny fiainam-pirenena amin’ny fandraisana izay filohan’ny Repoblika vaovao voafidy eo.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: