Naneho ny heviny momba ny fifidianana ny kandidà, Andry Rajoelina, omaly, taorian’ny latsa-bato nataony teny Ambatobe. Nambarany tamin’izany ny momba ny fahitany ny fizotran’ny fifidianana. “Matoky ny fahamatoran’ny demokrasia malagasy aho, ary matoky ny safidin’ny vahoaka”, hoy ny kandidà lah. 3, Rajoelina Andry, taorian’ny latsa-batony teny Ambatobe, omaly. Misy hatrany […]
Mois : novembre 2023
Masoivohon’i Etazonia : hanaraka ny toe-draharaha
Namoaka fanambarana tao amin’ny “Facebook” ny masoivohon’i Etazonia sy ny sehatra iraisam-pirenena, omaly. Mifantoka amin’ny fifidianana izy ireo ary nahita fa nizotra tamim-pilaminana amin’ny ankapobeny ny andron’ny fifidianana ary tsy nisy tatitra tranga momba ny herisetra, omaly. Vonona hatrany ny hanohana ny finiavan’ny vahoaka hisitraka ny zon’izy ireo handray anjara […]
Fifidianana : nizotra am-pilaminana na teo aza ny indrokely
Nizotra am-pilaminana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, notanterahina, omaly, manerana ny Nosy. Voahaja avokoa ireo fepetra samihafa sy ny rindran-damina napetraky ny Ceni. Na izany aza, nisehoana olana madinika ihany ny Birao fandatsaham-bato (BV) sasany nefa tsy nanakana ny fizotry ny fifidianana izany amin’ny ankapobeny. Anisan’izany ny tranga tao Toamasina na […]
Antananarivo : navitrika nifidy ny vehivavy
Tsy dia narisika tamin’ny fifidianana ny olom-pirenena nanerana ireo biraom-pifidianana teto Antananarivo, raha ny zava-nisy. Natahotra ny ankamaroan’ireo olona na mety ho nisy na tsia ny fifidianana vao tonga nifidy tsikelikely ny tapany hariva. Vehivavy maherin’ny 35 taona no tena nazoto nifidy tamin’ny ankapobeny. Manodidina ny 428 hatramin’ny 600 mahery […]
Voka-pifidianana vonjimaika: mitarika ny kandidà Andry Rajoelina
Efa nivoaka, tsikelikely, omaly alina ny voka-pifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany. Mitarika vonjimaika ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Lavitra ny elanelam-bato amin’ireo telo voalohany amin’ny voka-pifidianana vonjimaika. Mitarika amin’izany ny kandidà Andry Rajoelina raha mifandimby eo amin’ny laharana faharoa sy fahatelo amin’ny fahazoana isam-bato ny kandidà laharana fahadimy, Ravalomanana Marc, […]




