Taorian’ny fodiamandrin’i Rose Valisoa (andrarezin’ny kabary). Nivory voalohany tao an-tranon-dRajohnson Samuël, ny 14 mirahalahy. Izy ireo no nanorina ny «Firaisan’ny Mpikabary Malagasy». Niova ho Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy » izany taty aoriana. Feno 60 taona katroka, omaly, ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny kabary malagasy ity. Izy 14 mirahalahy […]
Mois : novembre 2023
Fanabeazana: mitaky fitandremana ny famoronana angano
Firenena anisan’ny manana angano maro i Madagasikara. Tsy manakana ireo mpamorona anefa izany. Misy ny angano vaovao. Mifanentana amin’ny fototra maha Malagasy ve izy ireny? Variana amin’ny sarimiaina ny ankizy. Vitsy ny boky mirakitra angano vaovao no tafavoaka noho ny halafosan’ny fanontana. Vitsy rahateo ny ankizy no tia mamaky boky. […]
Vondron’ny kandidà : “Takinay ny fifidianana madio”
Namoaka fanambarana taorian’ny fahavitan’ny fifidianana ny Vondron’ny kandidà 10. Nohamafisin’izy ireo fa natao amboletra izany ary tsy madio. “Tsy tomombana fa tsy nandraisan’ny rehetra anjara araka ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ambany indrindra teo amin’ny tantaran’ny fifidianana… Takinay ny hirosoana amin’ny fifidianana madio mitondra fifandimbiasam-pitondrana sy fahamarinan-toerana, antoky ny fiainana tsaratsara kokoa […]
Praiminisitra Ntsay Christian: “Hajaina ny safidin’ny tsirairay”
“Hajaintsika ny safidin’ny tsirairay, fa tokony ho hentitra tsara isika. Mba hiaina izany demokrasia izany, fa tsy fitadiavana tombontsoa sy fitiavan-tena no iainantsika ny fampandrosoana an’i Madagasikara.” Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny latsa-batony teny Ankorondrano, omaly. Zava-dehibe eo amin’ny tantaram-pirenentsika ny fifidianana, fa tao anatin’ny dimy taona izao, […]
Ben’ny Tanàna, A. Naina: “Adidy masina ny fifidianana”
“Adidy masina ny fifidianana filoham-pirenena tahaka izao ka tonga izahay mianakavy, haneho ny safidinay”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nanefa ny adidiny amin’ny fifidianana teny amin’ny EPP Analamihitsy tanana, ny tenany sy ny vadiny. Nambarany tamin’izany fa milamina ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina ary milamina tahaka izany […]




