Tsy azo atao intsony ny mamory vahoaka amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, hoy ny Emmo-Nat sy ny Prefektiora. Handray ny fepetra hentitra amin’ny fihoaram-pefy izy ireo. “Efa tsy azo atao intsony ny fampielezan-kevitra sy ny hetsika hafa na fidinana an-dalambe. Ao anatin’ny antsoina hoe fahanginana, mialoha ny fifidianana isika izao, […]
Mois : novembre 2023
Ambohijanaka : mpangalatra niharan’ny fitsaram-bahoaka
Mpiambina iray “agent de sécurité” nangalatra moto ka nifanenjehan’ny fokonolona tao amin’ny kaominina Ambohijanaka, distrikan’ Antananarivo Atsimondrano, afakomaly. Mody niditra tao amina toeram-pitsaboana (CSBII) anatin’io fokontany io ilay lehilahy. Namonjy filaharana toy ny marary rehetra izy. Nahatsikaritra ny moto an’i dokotera nipetraka tao amin’ny efitra mitokana anefa io olon-dratsy io. […]
TSELATRA
Avotra soa aman-tsara afakomaly ilay zaza varira nalain’ny dahalo an-keriny volana maromaro tao Maroalika, fokontany Morarano, kaominina ambanivohitr’ Ankilizato. Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny zandary sy ny kalony ka niafara tamin’ny fahazoana ity zazakely ity teny am-pelatanan’ireo malaso. Tratry ny vela-pandriky ny zandary ireo mpamaky trano sy mpivarotra halatra amin’ny […]
Avy naka « versement »: norobain’ny jiolahy ny vola 5 tapitrisa Ar
Indroa miantoana ny fanafihana teny Atsimondrano, omaly. Jiolahy efa-dahy nitaingina moto avokoa no nandroba tsena sy mpitondra moto teny amin’ny RN7. Lasan’ny jiolahy efa-dahy nanao taingin-droa tamin’ny moto ny vola “versement” nitentina 5 tapitrisa Ar avy nalain’ny mpanatitra fahana iray teny amin’ny RN7 teo Ambohibao, kaominina Bongatsara, omaly tolakandro. “Avy nanangona […]




