Enina andro taorian’ny an’ny Ceni, hamoaka ny valim-pifidianana ny avy amin’ny HCC. Manana hatramin’ny 4 desambra izy ireo, raha ny voafaritry ny lalàna, saingy ny voalohan’ny desambra izao no nambarany hamoahana izany. Hotanterahina ny zoma 1 desambra 2023 izao, eny amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenena Ambohidahy, ny lanonana […]
Mois : novembre 2023
Fanolanana ankizy T5 : naiditra am-ponja ilay lahiantitra 88 taona
Niakatra fampanoavana omaly, naiditra am-ponja vonjimaika, ao Miarinarivo ilay lahiantitra 88 taona nanararaotra ara-nofo ankizivavy 13 taona, kilasy T5 tao amin’ny fokontany Befaritra, kaominina Soavinandriana, distrikan’ i Soavinandriana, faritra Itasy. Norebireben’io lehilahy io ilay zaza vao 13 taona rehefa niditra tao an-tranony izay tsy nifanalavitra amin’ny sekoly. Notambazany homena vola […]
TSELATRA
Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ny raim-pianakaviana iray, naratra mafy tao Ampasimbe Manantsatrana. Notapahim-badiny tamin’ny antsy ny filahiam-drangahy raha iny variana natory iny izy. Niongotra mihitsy izany. Disadisa ara-pitiavana teo amin’izy mivady no nahatonga izao ratra nahazo azy izao. Fitadiavana rano mavesatra «Mercure» no mampirongatra ny fanapahan-doha ao […]
Zava-mahadomelina : olona roa nahatrarana rongony
Tratran’ny zandary ny olona roa nikasa handositra nitondra rongony tamin’ny gony tao Tanandava, kaominina Andoharano, ny 25 novambra teo. Nentin’ilay lehilahy sy vehivavy namany tamin’ny gony roa samy hafa ny rongony ary nokasain’izy ireo hovarotana amin’ny toeran-kafa. Nifanena tampoka tamin’ny mpitandro filaminana anefa izy roa ka tsy afaka niverin-dalana. Nosavaina […]
Nirefotra ny basy tao: Jiolahy iray maty, telo voasambotra
Nirefodrefotra indray ny basy tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina parisela 21/17, omaly tamin’ny 1 ora maraina sy 10 mn. Jiolahy iray rotiky ny bala raha telo hafa azo sambo-belona. Teo amin’ny lalan-dratsy mihazo ny tobin’ny polisin’ny Fip, akaikina orinasa iray no nisehoan’izany. Andian-jiolahy tsy latsaky ny 20 nirongo antsy […]




