Mois : novembre 2023

Nisongadina tamin’ny talentany : nodimandry i Cheffe Mariette, mpitahiry ny hainahandro fahiny

Raha vao hoe haify sy hainahandro malagasy, voatonona avy hatrany ny anaran’ny Cheffe Mariette Andrianjaka. Nahalala azy sy ny talentany avokoa, hatrany ivelany. Lasa namonjy an’i Ludger Andrianjaka ity vadiny ity… Vaovao ratsy hatrany… Nodimandry ny alin’ny alatsinainy teo i Cheffe Mariette Andrianjaka. Andra­rezina teo amin’ny tontolon’ny haify sy ny […]

Fanafihana nifanesy tao Toamasina: votsotra avokoa ireo voampanga voasambotra

Anisan’ny raharaha narahin’ny mpanara-baovao maro tany Toa­masina ny trangana vono olona tao Tanamakoa. Teo koa ny fandrobana moto nifanesy tany an-toerana, teo anelanelan’ny faran’ny taona 2022 hatramin’ny volana jona 2023 la­sa teo. Nisy ny voasambotra sy nahatrarana fampiasana fitaovam-piadiana ma­hery vaika, toy ny basy, ireo jiolahy nandritra izany, vokatry ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny Vondron’ny kandidà 11, omaly, teny Ankoron­drano. Tsy nisy nipika ny dinika. Na izany aza, tombanana ho ny momba ny fitsipahan’izy ireo ny voka-pifidianana sy ny tohin’ny tolona ny votoatin’ny fifanatrehana. Nanatitra taratasy fitsipahana ny fifidianana teo iny, teny amin’ny HCC, ireo Antenimieran’ny raiamandreny ara-drazana […]

Fikasana hanongam-panjakana : hotsaraina amin’ny 16 janoary ireo kolonely roa

Hiandry ny fitsarana azy amin’ny herintaona. Notsiahi­vin’ity tomponandraikitra eo anivon’ny fitsarana ity fa nentina tetsy amin’ny fampanoavana Anosy, afakomaly, izy roa lahy ireo noho ny fiampangana amin’ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy ny fanakorontanana mialoha iny fifidianana filoham-pirenena iny. “Eo koa ny fitarihana hitarika andiana miaramila hikomy”, hoy ihany ny Tonia […]

Tsikalankalam-pihavanana

  Raha manaraka ny vaovao amin’ny tambajotran-tserasera sy ny fitaovana fampitam-baovao mahazatra dia mihorona andro aman’alina ny hodi-doha. Mahavalake­traka ny mijery sy miaina ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy hita ny hisokajiana ilay andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Tena mirona tanteraka any amin’ny gaboraraka sy fanaovana izay danin’ny kibony. Maloto tanteraka ara-bakiteny sy […]