Voafehin’ny mpitandro filaminana ny hetsika nataon’ireo mpiakanjo fotsy manara-dia ny Vondron’ny kandidà 10 ny sabotsy teo. Nandamoka ny fikasana hiditra tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Niainga avy tamin’ny toerana samihafa ireo mpitolona nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro. Nanaparitaka azy ireo tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Nisy tamin’ireo mpitokona […]
Mois : novembre 2023
Hevi-potsy, hevi-petsy…
Amin’ny Malagasy, tsy tsara loatra ny fotsy afa-tsy amin’ny hoe fotsy nify, fotsy volo, fotsy kotro (tany lonaka), vary fotsy… Taty aoriana, niampy ny hoe tandindon’ny fahadiovana ny fotsy. Saika hafahafa na ratsy ny hoe fotsy angola, fotsy fanahy, fotsy feo, fotsy rora, fotsy tsinay, mandry fotsy, fotsy maso, […]
Kandidà Andry Rajoelina ; “Hanova ny tantara isika eto Vakinankaratra”
Nitohy tany Antsirabe rehefa avy any atsimon’ny Nosy ny kandidà Rajoelina Andry, omaly. Nanteriny fa tsy misy hahasaraka ny fitiavany amin’ny any Vakinankaratra. Nambarany fa na eo aza ny fanirin’ny kandidà sasany ny tsy hitiavan’ny vahoakan’ Antsirabe azy, voaporofo anefa izany fa tia an’i Andry Rajoelina sy tian’i Andry Rajoelina […]
Nitrandraka volamena: olona valo maty nihotsahan’ny tany
Ankizy valo taona ny iray ary lehilahy lehibe 60 taona, anisan’ireo valo namoy ny ainy vokatry ny fihotsahan’ny tany tampoka, tao Ambohimangakely, fokontany Mahatsinjo, kaominina Alatsinainikely, distrikan’i Miarinarivo Itasy, ny alakamisy 2 novambra teo. Nanao ny asany toy ny mahazatra ireto mpitrandraka ireto. Niharan-doza tampoka anefa ny 1 novambra tamin’ny […]
TSELATRA
Mpitondra bisikileta iray maty tsy tra-drano voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana teny Androndrakely, boriborintany faharoa, afakomaly. Nandeha mafy ilay fiara. Tsy voafehin’ny mpamily tampoka ny familiana ka nifatratra tamin’ilay mpitondra bisikileta teo alohany. Votsotra teny am-pelatanan’ny dahalo ny omby 20 tao tao Andriamavo, fokontany Ambalavelona, kaominina ambanivohitra Bekobay, distrikan’ i Mahajanga […]




