Miahiahy amin’ny asa fivelomany sahady indray ireo mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina, anio, manoloana ny toe-draharaha politika eto an-toerana. Potika ny toekarena, tsy mampidi-bola ireo tokantrano mivelona amin’ny tsena. Miankina amin’ny vola ny fihodinan’ny fiainana andavanandro. Manomboka androany ka hatramin’ny alarobia izao ny salon WTM London 2023 atao ao […]
Mois : novembre 2023
Madagascar Airlines : nametra-pialana tsy ho PCA Rakotomanga Rinah
Nametra-pialana tsy ho filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Madagascar Airlines, ny zoma teo, Rakotomanga Rinah. Antony nahatonga izao ny fangatahan’ny filohan’ny filankevi-pitantanana teo aloha, Rakotondraibe Mamy, hiverina handray ny asany. Ny sabotsy teo, nivory teny amin’ny foiben’ny orinasa teny amin’ny Redland Tour Akorondrano, ny mpikambana miisa telo eo anivon’ny filankevi-pitantanana ka […]
Salon du chololat : nahaliana ny maro ny sokola malagasy
Maro mpanjifa ny sokolantsika ary nisy mpanafatra nifanaiky hividy sahady nandritra ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny sokola (salon international du chocolat, 2023), tany Paris Frantsa, ny 28 oktobra hatramin’ny 01 novambra teo. Nahaliana ny mpitsidika ny sokola vita eto Madagasikara. Afa-po ihany koa ny kaoperativa UCLS Ambanja sy ireo mpanondrana […]
Tsena iraisam-pirenena : hiverina eto amintsika ny AGOA
Samy miandrandra ny fanohizana ny AGOA hatramin’ny taona 2025 ireo firenena afrikanina mpisitraka ny tetikasa nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena andiany faha-20, tany Johannesbourg. Nifarana ny sabotsy teo, ny andiany faha-20, ny “forum African growth and opportunity act (AGOA)” eo amin’i Etazonia sy ny tapany atsimon’i Afrika, izay natao tany Johannesbourg, […]
FANTINA sy FINTINA
Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny mpitandro filaminana, araka ny nambaran’ny Vondron’ny kandidà, ny sabotsy teo, taorian’ny hetsika nataon’izy ireo. “Nanenjika olona hatrany an’elankela-trano. Helohinay ny fampiasan-kery tamin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Efa nanolotra mpisolovava ireo voasambotry ny zandary ireo kandidà. Mijoro ny vovonan’ny FFKM sy ny filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa Christine, […]




