Nikatona tanteraka, ny sabotsy lasa teo, tao Mahajanga, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 23 taona, taranja Volley-ball, taom-pikatrohana 2023. Nanao pao-droa ny ekipan’ny GNVB Analamanga. Norombahin’ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena avokoa ny amboara, na ny teo amin’ny sokajy lehilahy izany, na ny sokajy vehivavy, nandritra ity fiadiana ny amboaran’i […]
Mois : novembre 2023
TARATRY ny KANTO
Manan-talenta ny Malagasy. Raha ny fandinihan’ny manam-pahaizana momba ny hira sy ny fivoaran’ny fiarahamonina, anisan’ny mitazona ny Malagasy tsy hianatra solfezy io fananany talenta lehibe io. Ny ankamaroan’ny mpihira, mpitendry zavamaneno, mpamoron-kira, sns, mbola mihevitra fa tsy mifanaraka amin’ny talenta ananany ny solfezy, satria, « zava-bahiny ». Hetsika famoaham-boky. Mpanoratra 6 mirahalahy […]
Zavakanto dihy, mozika ary slam : ho avy eto Antananarivo i Makwa Joma
Hanolotra fampisehoana amin’ny vahoakan’Antananarivo i Makwa Joma, Malagasy mpanakanto avy any Betsimisaraka, ny 23 novambra izao, etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. Mikasa hanolotra ny “Eto sy ankehitriny” ho an’ny mpankafy izy amin’io fotoana io, raha ny fanazavana. Ahitana sanganasa maro isan-karazany mandritra ny fampisehoana. Anisan’izany, ny fampiarahana ny dihy […]
Kabary Fi. Fa. Mi : nivoaka ny andiany Tsiry
Mpianatra miisa 47 indray no navoaka ho mpikabary ny sabotsy 4 novambra 2023 lasa teo. Nanovo fahalalana tao amin’ny Fikambanana Fandrotrarana Mikabary na ny Fi.Fa.Mi, izy ireo. Notanterahina teny amin’ny Espace Mon Bon Jardin Ambavahaditokana ny lanonam-panandratana azy ireo. Nisy ny fanolorana ny mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra, ka ny 36 […]
Star Academy 2022 – Anisha Jo : nivoaka ny « album », ho avy ny fampisehoana
Tanora manan-talenta nampiaiky ny mpitsara nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena « Star Academy » 2022. Migoka ny valin’ny ezaka nataony i Anisha Jo. Efa nivoaka ny « album ». Ho avy tsy ho ela ny fampisehoana. Anisha Jo, iray amin’ireo nitana ny mason’ny mpitsara sy ny mpijery nandritra ny fifaninanana Star Academy 2022. Anisan’ny valin’ny […]




