« Judo-Tompondaka maneran-tany Vétéran ». Nandrombaka ny medaly alimo i Heriniaina Vestalys, teo amin’ny sokajy M6, latsaky ny 60 kg, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Judo, sokajy Vétéran, natao tany Abu Dhabi. Laharana fahadimy kosa no nisy an’i Mamy Dongoza. “Ballon d’Or 2023”. Norombahan’ilay Arzantinina mpilalao baolina kitra, […]
Mois : novembre 2023
Motocyclisme : handray ny fivoriana iraisam-pirenena i Nosy Be
Hotanterahina eto Madagasikara, amin’ity volana novambra ity ny fivoriambe ara-potoana “Assemblée Générale (AG)” ny federasiona iraisam-pirenen’ny Motocyclisme (FIM) Afrika. Any Nosy Be no toerana nosafidin’ny federasiona malagasin’ny motocyclisme (FMAM) handray izany, manomboka ny 3 hatramin’ny 5 novambra ho avy izao. Miisa 25 ireo firenena ho avy hivory eto an-tanindrazana raha […]
Jiu-Jitsu – Fifaliana: misedra olana amin’ny hoenti-manana
Tokony hanainga rahampitso 3 novambra, miaraka amin’i Andy sy i Diary, hiatrika ny “World Jiu-Jitsu Championship” any Abu Dhabi, i Fifaliana. Mbola manao antso anefa izy ho an’ireo malala-tanana sy mpanohana satria mbola tsy feno tanteraka ny hoenti-manana ahafahana miatrika ity fifaninanana ity. Na izany aza, efa kely sisa dia […]
Kitra – «Championnat national scolaire»: ho fantatra anio izay hibata ny amboara
Tapitra amin’ity anio ity ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja baolina kitra, ho an’ireo mpianatra latsaky ny 15 taona, eny anivon’ny fitaleavam-paritry ny fampianarana manerana ny Nosy (DREN). Hifarana, anio, ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny baolina kitra, hifanandrinan’ireo mpianatra sokajy U15, lehilahy sy vehivavy ary ny U13, lehilahy avy […]
Vondron’ny olompirenena: manentana hatrany anelakela-trano
Midina ifotony. Eny an-tsena sy an’elakela-trano ary anaty fokontany rehetra ny hetsiky ny Vondron’ny olompirenena “Organisation citoyenne”. Manao haody sy miangavy minitra vitsy handresena lahatra hampandaniana ny kandidà Rajoelina Andry. Anisan’ny efa nandehanan’ny ekipan’izy ireo ny teny amin’ny tsenan’Ambanidia, Mandroseza, Ambolokandrina, Ambohipo, Tsiadana…. “Mpivarotra izahay ary nipoitra avy aty anaty […]




