Mois : novembre 2023

Fandriampahalemana an-dranomasina : nigadona tao Antsiranana ny sambo mpiady Italiana Luigi

Nigadona ao Antsiranana, ny alatsinainy 23 oktobra 2023 lasa teo, ny sambo lehibe Italianina Luigi Durant de la Penne. Avy nanatanteraka fisafoana sy fitsirihana an-dranomasina niaraka tamin’ny sambon’ny Tafika an-dranomasina Malagasy, RC Trozona sy PC Malaky, ity sambo lehibe ity. Nandritra ity fitsidihana ity, noraisin’ny kaomandin’ny tobim-pamaharana ny contre amiral […]

Fiomanana amin’ny fetin’ny Noely: omena sehatra ireo mpivarotra

Mihamitombo isan’andro ny olona mivarotra amin’ny ala­lan’ny tambajotra sosialy eto Madagasikara. Misedra olana amin’ny fandafosan’entana noho ny tahotry ny mpanjifa amin’ ny hadisoan’ny entana ny ankamaroan’izy ireny, raha ny fanadihadiana natao. Mba hanampiana azy ireny, ho fantatry ny olona sy hahazo mpanjifa bebe kokoa mihoatra ny isan’andro ny anton’ny hetsika […]

Kandidà Rajoelina : “Hatao tonga isan-tokantrano ny fampandrosoana”

Nihazo tany Fandriana sy Ambositra ary Ambalavao ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Nambarany tamin’izany fa hipaka any amin’ny isam-baravarana ny fandaharanasany. Notsiahiviny fa efa na­nampy ny tany an-toerana ny tenany tamin’ny andron’ny Covid-19 sy ny rivodoza. Amin’ny andro sarotra no ahitana ny tena namana ary tsy azo sakanana ny […]

INDRAY MIJERY

Nampiofanina mahakasika ny tetikasa an-tsekoly « Mavitrika mianatra » ireo talen-tsekoly sy ireo lehiben’ny ZAP ary ireo mpikambana ao amin’ny FEFFI ao amin’ny Cisco Toliara II, Dren Atsimo Andrefana, hanatsarana ny fitantanana ny Vondron’olona ifotony ho fampandrosoana ny sekoly sy ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Nosoniavina ny fiaraha-miasa eo amin’ny […]

CHU Anosiala: olona 80 hodidina katarakta maimaimpoana

Manao hetsika fandidiana ny aretina katarakta mpahazo ny maso ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Association Pneumo nanomboka tamin’ity herinandro ity, eny amin’ny hopitaly CHU Anosiala. Maimaimpoana ny fandidiana ho an’ny olona nosafidiana 80 hiatrika izany. Aretina mpahazo ny maso mety hitarika amin’ny fahajambana ny katarakta ka ny fandidiana ihany no […]