Nanome toky ny mpamantatra ny toetry ny andro fa tsy hisy ny tranga mahery vaika na mihoapampana ho an’ny toetry ny andro amin’ity herinandro ity. Atmosfera tsy ho marin-toerana miampy ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimo atsinanan’ny Nosy no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Ny fikorontanana ao atsimon’ny Nosy […]
Mois : novembre 2023
Antilahy Estelle: ny rano madio no sakafo voalohany ilaina, kanefa indrisy
Nitondra fanazavana momba ny sakafo ara-dalàna sy mahavelona ary ara-pahasalamana ny tomponandraikitra misahana ny fandrafetana ny programam-panjakana momba ny fanjarian-tsakafo sy ny rano fisotro madio, Antilahy Estelle. Lohahevitra niaingan’ny fanazavana nentin’i Antilahy Estelle ny hoe: “Mampisakafo ny Malagasy amin’ny fotoana rehetra: oviana? Inona no ilaina hanatanterahana izany?”. Ny olona misakafo […]
Fivorian’i Afrika sy ny ligy Arabo: handray anjara i Madagasikara
Anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana an-tampony voalohany iarahan’i Afrika sy i Arabie Saoudita. Eo koa ny fihaonana an-tampony fahadimy eo amin’ny firenena Arabo (Ligue Arabe) sy i Afrika, hatao ao Riyad, ny faha-10 sy ny 11 novambra izao. Tanjona amin’izany ny hijerena ireo fomba […]
Vondron’ny kandidà: ho eny Ambohitrimanjaka ny “Hetsika fotsy”
Hitohy anio indray, ny hetsik’ireo Vondron’ny kandidà, ka hifamotoana eny amin’ny tetezan’Ambohitrimanjaka izy ireo, anio, manomboka amin’ny 11 ora atoandro. Tsy mbola voafaritra tahaka ny mahazatra ny toerana aleha sy ny hizorana amin’izany. Efa nialohavan’ny fihaonana sy fivoriana samihafa izany ny talata sy alarobia teo. Anisan’izany ny dinika mikaton-trano nifanaovan’ireo […]
Governemanta: manameloka ny fidirana eo amin’ny kianjan’ny 13 mey
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny governemanta, omaly. Nohelohin’izy ireo tanteraka ny fikasana hanao korontana amin’ny fidirana an-keriny eo amin’ny kianjan’ny 13 mey. “Manao antso avo ny governemanta amin’ny fandraisan’andraikitry ny rehetra mba hiaro ny fiandrianan’ny vahoaka malagasy hifidy izay hitondra ny firenena sy ny fenitra demokratika”, hoy ny fanambarana. Niantso […]




