Raha tsy mahay dia mihinana am-bolony sy fanina tanteraka amin’ny tontolo politika eto Madagasikara. Ny olona noheverina ho raiamandreny, mirona mankany amin’ny ankolafin-kery iray. Tsy fantatra mazava intsony raha hambom-po diso toerana na valifaty tsotra izao amin’ny mpiray latabatra izay tsy nahafalifaly azy. Ny resaka fitiavan-tanindrazana, zary mivadika baraingo. […]
Mois : novembre 2023
Fampandrosoana ara-bola : mampiroborobo ny tahirim-bola ny Smmec
Natokana ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tahirim-bola ny 31 okrobra. Tanjona ny hampandrosoana ny fampiasam-bola, hampiroboroboana ny seha-piharian’ny sokajin’olona samihafa. Anisan’ny nankalaza izany ny Orinasa iombonana ho an’ny fitahirizam-bola sy ny fampindramam-bola (Smmec). Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tahirim-bola ny 31 oktobra teo. Anisan’ny nankalaza izany ny orinasa iombonana ho an’ny […]
Halatra omby tao Maintirano : mpanara-dia roa maty voatifitry ny dahalo
Lehilahy roa anisan’ny fokonolona nanara-dia maty voatifitry ny dahalo tao amin’ ny fokontany Andranonakanga, kaominina Mafaijijo, distrikan’i Maintirano, ny alahady 29 oktobra teo tamin’ny 9 ora. Tamin’io alin’ny alahady io, omby miisa 20 norobain’ny dahalo tao amin’ny tanànan’ Andranonakanga. Nitondra fitaovam-piadiana ireo dahalo ka nitifitra ireo mpanara-dia. Vokany, lehilahy roa […]
TSELATRA
Maty voatifitry ny miaramila DSS12 ny dahalo saika handroba tao amin’ny tanànan’Ambatofotsy, fokontany Miaramanana, kaominina ambanivohitr’i Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly alina. Efa malaza ratsy ao amin’ity tanàna ity ny fisian’io olon-dratsy io ka antony nahatonga ny miaramila nametraka vela-pandrika. Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy ny jiolahy iray […]
Voatifitra : jiolahy nangala-bary iray gony
Lavon’ny balan’ny zandary, nandritra ny fifandonana afakomaly, ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana tao amin’ny fokontany Alatsinainy Ankitsikitsika, kaominina ambanivohitr’Antsahalava, distrikan’Antanifotsy. Efa-dahy ry zalahy no tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity ka tratran’ny fokonolona ny iray tamin’izy ireo. Avy nandroba tokantrano iray tao amin’ity fokontany ity ireo jiolahy tamin’io fotoana io. […]




