“Telo herinandro izay ny fampielezan-kevitra. Volabe tsy fanta-piaviana no ampiasain’ny kandidà sasany”, hoy ny tale mpanatanteraky ny Transparency International-Iniative Madagascar (TI-IM), Rafitoson Ketakandrina, teny Ambaranjana, afakomaly, momba ny fampiasam-bolan’ny kandidà. Efa roa taona izay ny TI-IM no nitaky ny hanova ny lalàna mifehy ny fifidianana mba hampitovy tantana ireo kandidà. […]
Mois : novembre 2023
Ceni : “Diso ny hoe misy PV efa vita sonia”
“Tsy mitombina izany raha ny fomba fiasan’ny Ceni. Tsy mbola nisokatra hatramin’izao ny PV, fa mbola ao anatin’ny “palette” nametrahana azy”, hoy ny avy eo anivon’ny Ceni, miahy ny faritra atsimon’ny Nosy, Razafimamonjy Laza Rabary. Namaly bontana ny nambaran’ny mpanao politika fa misy fitantanana an-tsoratra (PV) voka-pifidianana efa vita sonia. […]
Namearison Robert : “Mitaky ny fijoroan’ny olompirenena ny toe-draharaha amin’izao”
Aiza ho aiza ny olompirenena amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Takina ny fijoroan’ny olompirenena, raha ny fijerin’ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert. Fanehoan-kevitra… “Mitaky amin’ny olompirenena tsirairay fandinihana lalina ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Eo koa ny famakafakana lalina sy fijoroana ho tena olompirenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe […]
TARATRY ny KANTO
Boky ho an’ny ankizy. Hivoaka amin’ity volana novambra ity ilay boky « Amboarana angano/Recueil de contes », 92 pejy. Boky mirakitra angano miisa 5 voasoratra amin’ny fiteny malagasy sy fiteny frantsay. Asa soratr’i Arikaomisa Randria, ravahin’i Max Razafindrainibe amina sary nataon-tanana. Manampy indrindra amin’ny fampiainana ny angano ireo sary ireo. « ADMC- CRAAM […]
« Anim’Ato Mada »: efa miatrika ny fiofanana ireo voafantina
Nisokatra nanomboka ny 30 oktobra 2023, ary tsy hifarana raha tsy ny 15 desambra 2023, ao Antsanitia Mahajanga, ny « Anim’Ato Mada ». Ny fikambanana « Rencontres du Film Court de Madagascar » no mikarakara ny hetsika. Fampiofanana izay natokana ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika aty Afrika. Tanjona ny haha matihanina ireo […]




