Mois : novembre 2023

Hiragasy Goavambe : hifanandrina Rainitelo sy Raveloson

Raikitra ! Hifanandrina etsy amin’ny Kianjan’ny kanto Ima­hamasina ny tarika roa lehibe eo amin’ny tontolon’ny hiragasy. Alahady 5 novambra izao, « Hiragasy Goavambe ». Samy haneho ny traikefa matanjaka ananany eo imason’ny mpijery ny tarika Rainitelo Andohavary sy Raveloson Arivonimamo. Ho an’ny mpitia hiragasy : « ady mangotraka tsy fahita firy ny tahaka izao. Aleo […]

Fomba Betsimisaraka : mampiray ny fianakaviana ny “Avan-drazagna”

“Avan-drazagna”, izay mifanandrify amin’ny fetin’ny maty. Fetibe ary fotoan-dehibe tokoa ho an’ny Betsimisaraka io, rehefa voalohandohan’ny volana novambra toa izao. Maneho fa tsy manadino ireo efa lasa, kanefa koa mandrary ny fihavanana eo amin’ny velona… Mahoraka toa ireny fe­tim-pirenena na fetin’ny faran’ny taona ireny ny voalohadohan’ny volana novambra, any amin’iny […]

Asa tanan’i Rado : fomba iray fanabeazana ny taranaka ny «Paikafo»

Paikafo, asa tanana natombok’ Andriamantena Georges na i Ra­do, mpanoratra sady poeta, ta­min’izany andro izany. No­lo­vain’ ny zanany An­driamanantena Andry Solofo tao anatin’ny 40 tao­na izay. “Ataovy amin’izay fa efa miha antitra aho, hoy ny raiko. Nafin­drany tamiko ilay asa satria hitany fa nahay sary aho ary tsy nety nanao sary […]

VAOVAO TAMBATRA

Handray anjara amin’ny “Cop 28”, ny 30 novambra ka hatramin’ny 12 desambra, atao any Dubai, Emirats Arabes Unis, i Madagasikara. Hampia­vaka ity andiany ity ny fitokanana sy fanokafana ny toerana voatokana “pavillon de Madagascar” izay se­hatra hampisongadinana ny Nosy sy hampiroboroboana ny fiombonan’antoka mahakasika ny “crédits carbones”. Maherin’ny 20 000Ar […]

Airtel Afrika : nitombo 9,7% ny mpanjifa manerana an’i Afrika

Nifarana ny 30 septambra teo ny fotoam-piasana, tao anatin’ny enim-bolana farany, ho an’ny vondron’orinasa Airtel Afrika. Any Nizeria ny foiben’ny vondrona. Sandam-bola ampiasaina ny Naira, ka tsy maintsy nahomby ny vokatra amin’ny ankapobeny, satria nitombo 9,7% ny isan’ny mpanjifa, manome 147,7 tapitrisa. Nitombo ny tolotra sy ny vola nokirakiraina, ka […]