Mois : novembre 2023

Farihin’i Mantasoa: nandrotsahana zana-trondro miisa 40 000

Tafiditra anatin’ny vanim-potoana fikatonan’ny jono isika izao, antony indrindra hampiroboroboana ity sehatra ity. Nandrotsahana zana-trondro tilapia miisa 40 000 ao amin’ny farihin’i Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana, ny sabotsy teo. Hetsika tantso­roka avy amin’ny orinasa Aci­pencer. Tanjona ny hitanta­nana maharitra sy hamere­nana ireo harenan’ny farihy mba ho tombontsoan’ny rehetra. Tsapa tokoa fa […]

Seha-pihariana kakao: hampirisihina ny fampiroboroboana azy

Lalam-pihariana anisan’ny nahitantsika tombontsoa ny kakao manomboka any amin’ ny tantsaha ka hatrany amin’ ny mpanondrana. Nandrom­baka ny vokatra tsara kalitao indrindra maneran-tany (Cacao fin 100%) i Madagasikara, vao tsy ela. Tsy nitsaha niakatra ihany koa ny vidin’ny kakao noho ny tinady iraisam-pire­nana. Na izany aza, tokony jerena ny fanitarana […]

Fandraharahana: Hanomboka anio ny hetsika « Inim »

Fotoan-dehibe hampivondronana mpandraharaha samihafa ny hetsika “Innovative Natural Ingredients of Madagas­car 2023 (INIM), andiany faharoa. Manomboka anio ka haharitra roa andro ny hetsika izay atao eny amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Ho hita mandritra ireo fotoana ireo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ho an’ireo Malagasy mpamongady sy mpamokatra akora fototra amin’ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Nahazo fitaovana ireo mpanjono any amin’ny distrikan’i Soalala, faritra Boeny, omaly. Anisan’izany ny salotra vonjy aina miisa 70, harato sy ny kojakoja miaraka aminy, mitotaly 50. Nilaza ny minisitry ny Jono, Mahatante Paubert, fa santatra ihany ireo, fa mbola hisy ny fanampiana hafa. Mitotaly 34 500 ny tanora any amin’ny […]