Anisan’ny fanampiana ireo niharan’ny herisetra ny fihainoana azy ireo. Mba hanasitranana ny fery ao anatiny vokatry ny herisetra nianjady taminy. Hanatanteraka valandresaka etsy Analamahitsy ny fikambanana TAO, ny 2 sy ny 16 desambra izao, amin’ny 9 hatramin’ny 11 ora. Natokana ho an’ireo olona maherin’ny 18 taona, niharan’ ny herisetra na […]
Mois : novembre 2023
INDRAY MIJERY
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny herinandro lasa teo, ilay horonantsary fanadihadiana “Miaro ny vehivavy”. Ny zava-misy mandritra ny asa fanentanana sy fandraisana an-tanana ireo vehivavy tratran’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, manerana ny toerana iasan’ny fondation Akbaraly, no tantarainy amin’izany. Ny fanabeazana dia mahakasika ny rehetra ary ny tranga […]
Holafitry ny infirmier : dimy ny kandidà nirotsaka amin’ny fifidianana
Hotontosaina ny alakamisy 30 novambra izao ny fifidiana izay ho mpikambana vaovao ao anatin’ny birao hitantana ny Holafitry ny infirmier mandritra ny telo taona manaraka, araka ny fanazavana azo. Nanomboka ny 1 novambra ka hatramin’ny rahampitso ny fampielezan-kevitra ataon’ ny kandidà tsirairay avy, izay marihina fa lehilahy avokoa. Lisitra no […]
Nentanina hampiasa kodiaran-tsarety fingotra ny tantsaha
Ho fikojakojana ny lalana haharitra dia nidina ifotony teny amin’ny kaominina Ambatomirahavavy sy Ambohimandry ireo tomponandraikitra ny faran’ny herinandro teo. Nanao fanentanana ireo tantsaha hiala amin’ny fampiasana kodiaran-tsarety vita amin’ny vy ny ekipan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana. Resy lahatra sady navitrika izy ireo eo anatrehan’ny […]
Orange Madagascar: manome fiofanana arakasa ho an’ny tanora
Laharam-pahamehana ho an’ny Orange ny fanohanana ny tanora amin’ny fampiofanana arakasa miaraka amin’ny teknolojia vaovao na inona na inona fahaizana ananany. Mandray mpianatr’asa amin’ny sehatra maro koa ny orinasa isan-taona.. Mampivelatra ny fiaraha-miasa amin’ny fampiofanana sy ny fiofanana arakasa miaraka amin’ ny mpiray ombon’antoka ny orinasa Orange Madagascar. Nanao sonia […]




