Mois : novembre 2023

Tetikasa Efaho: mandroso ny asa fametrahana ny fantsom-be

Eo am-pamaranana ny fanajariana ny toerana malalaka hametrahana ny fotodrafitrasa hisintonana ny rano avy ao amin’ny reniranon’Efaho any Taolagnaro. Mirefy 97 km ny fantsom-be miainga ao amin’ity renirano ity hatrany Ambovombe. Tonga nijery ifotony tany Esalo, kaominina Ma­nambaro, distrika Tao­lag­naro, ny fizotry ny tetikasa Efaho ny praiminisitra (PM) Ntsay Christian, […]

TSELATRA

Lehilahy iray sy ny zafikeliny kilan’ny afo ka namoy ny ainy tao an-tranony tao Lakato, distrikan’i Mora­manga, ny talata 28 novambra teo. Notafihan’ny jiolahy ny tokantranon’izy ireo ka novonoin’ny tsy mataho-tody tamin’izany ilay rangahy. Nodoran’ny jiolahy ny trano. May nandritra izany ilay rangahy sy ny zafikeliny 3 taona. Lehilahy iray […]

Bemanonga – Morondava : dahalo roa maty voatifitry ny miaramila

Nitrangana fanafihan-dahalo maherin’ny 50 lahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, Kalachnikov sy Mas 36, tao amin’ny fokontany Ankijabe, kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, distrikan’i Morondava, ny talata teo. Lasan’ireo malaso nandritra izany ny omby manodidina ny 200 tao amina tokantrano iray tao amin’io fokontany io. Ni­tsoaka avy hatrany ireo dahalo nandroaka ny omby […]

Maherifody : lehilahy iray maty nihotsahan’ny tany

Namoizana ain’olona iray indray tao amin’ny kariera ao Analangavo, fokontany Maherifody, kaominina sy distrikan’ Antalaha, afakomaly. Nahazo fampandrenesana tamina loharanom-baovao iray ny zandary ao amin’ny borigadin’Antalaha momba ny fisiana olona nihotsahan’ny tany ao amin’io toeram-pitrandrahana io. Fantatra fa telo lahy izy ireo no teo amin’ity toeram-pitrandrahana vatosoa ity kanjo nihotsaka […]

Famonoana ilay “transitaire” tao Toliara: telo mianadahy naiditra am-ponja, lehilahy iray karohina

Roa lahy sy vehivavy iray niara-naiditra am-ponja, omaly, momba ny vono olona nitranga tao amin’ny fokontany Besakoa, Toliara, ny 16 oktobra lasa teo. Mpiara-miasa amin’ ilay lehilahy “transitaire” maty novonoina tao an-tranony ihany ny iray amin’ireo tompon’antoka nahavanon-doza tao Besakoa, To­liara. Nahatraran’ny mpitandro filaminana vola an-tapitrisany tao amin’io lehilahy voasambotra […]