Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Mahazoarivo, afakomaly, ny fametrahana vokatra na “Produit” sy toerana na “Localité” vaovao eo anivon’ny tetibolan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Tafiditra amin’ny famindrana sorabola anaty fandaharanasa “Aménagement de crédit” ahafahana manorina ireo birao ho an’ny faritra Ambatosoa sy ny any Vatovavy izany ary […]
Mois : novembre 2023
Rajaonarison Sendra : “Aleo mba hilamina sy handeha ny fiainam-pirenena”
Ahina sy voizin’ny sasany hatrany ny hoe mety hisian’ny krizy politika aorian’ny fifidianana. Mahabe adihevitra… Maneho ny fijeriny ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ONG Zoako, Rajaonarison Sendra: “Aleo mba hilamina sy handeha ny fiainam-pirenena amin’ny fandraisana izay filohan’ny Repoblika vaovao voafidy eo”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanareo mpanara-maso ny fifidianana teo? […]
TARATRY ny KANTO
Handray anjara amin’ny “Hellfest” ry Loharano. Vaovao lehibe ho an’ny tontolon’ny mozika rock sy metal izany, satria sambany vao hisy tarika malagasy hiaka-tsehatra amin’ity festival lehibe indrindra ity. Hotontosaina any Frantsa, ny 27 hatramin’ny 30 jona 2024, ny andiany faha-17 amin’ity hetsika ity, ka hilahatra amin’ireo tarika malaza maneran-tany amin’ny […]
MFF, andiany faha-18 : tontosaina any Mahajanga ny tohin’ny hetsika
Mitohy any Antsanitia, Mahajanga, nanomboka omaly 29 novambra 2023, ny “Madagascourt Film Festival (MFF)”, andiany faha-18. Any an-toerana no hanatanterahana ny lanonam-pamaranana amin’ity hetsika ity, ny 2 desambra 2023. Anisan’ny mampiavaka ny hetsika rehefa any Mahajanga, ny “Ti Kino Gasy”. Eo ihany koa ny fandefasana sarimihetsika eny ankalamanjana. Sahala amin’ […]
F’inn zao e !?! raikitra ny « Cabaret acoustique »
Tafiditra ao anatin’ny lanonan’ny faran’ny taona. Hanatanteraka ny «Cabaret acoustique» miaraka amin’ireo andrarezin’ny fitendrena gitara ny F’inn zao E Production. Alim-pikoranana tontosaina eny amin’ny Espace Concerto Anosiavaratra, rahampitso 1 desambra, manomboka amin’ny 9 ora alina. Amin’ny ankapobeny, «revy glita sy kitonotono» ny endriky ny fandaharam-potoana eny an-toerana, raha ny fanazavan’ny […]




