Mois : novembre 2023

Tsenan’ny mozika iraisam-pirenena : hiady ny “Prix Découverte RFI 2023” i Aynah

Lalana iray misokatra mankany amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ny “prix Découverte RFI”. Anisan’ireo voasokajy hifaninana amin’ity andiany manaraka ity i Aynah. Saika isan-taona, manana solontena hatrany i Madagasikara. Anisan’ ireo noraisin’ny mpitsara hifaninanana anatin’ny “Prix Dé­couverte RFI 2023” i Aynah. Tarika 60 avy amin’ireo firenena afrikanina maro no nisafidianan’ny mpitsara […]

Saxophone : zavamaneno anisan’ny manaingo ny hiran’ny mpanakanto

Zavamaneno, anisan’ny mbola tanora eo amin’ ny sehatry ny zava­kanto, in­drin­­dra ny eto Mada­gasikara ny Saxo­phone . Manana anjara toerana lehibe amin’ny tontolon’ ny “pop” sy ny “jazz” maneran-tany izy io. “Tena akaiky indrindra amin’ny feon’olombelona amin’ireo zavamaneno rehetra misy maneran-tany ny saxophone”, hoy i Andry, mpitsoka saxophone, raha nanontaniana. […]

VAOVAO TAMBATRA

Nigadona ao Mahajanga ilay sambo vaventy, Le Jacques Cartier, mpitondra mpizahatany. Nitsi­dika ny tanànan’i Mahajanga sy ireo toerana mampiavaka azy ny 139 tamin’ireo 184 mpandeha. Mbola hiverina handalo ao an-toerana ny 27 desambra izao ity sambo vaventy ity raha toa ka andrasana ny alahady izao ny sambo lehibe iray hafa. […]

MADAGASIKARA: manana paikady hampiroboroboana ny indostria

Fanamby apetrak’i Ma­dagasikara ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria amin’ny alalan’ny paikady roa sosona hanatanterahina iza­ny. Fisarihana ireo mpampiasa vola goavana izay mila fotoana elaela kokoa raha toa ka ny fampiroboroboana ny indostria madinika haigam-pivelarana, ny iray hafa, hoy ny minisitry ny Fampirobo­ro­boana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, […]

Mihenjan-droa

  Milaza tsy tia vary mohoka kanefa mahalany sosoa be rano, izay no azo ilazana ny mpanao politika malagasy ankehitriny. Manenjika sy manilika olom-pirenena lazaina fa vazaha kanefa miantso vonjy any amin’ny vazaha. Ny zava-doza, manankina ny hoavin’ny firenena iray manontolo any amin’ny vahiny. Mikiribiby mihitsy ny handrombaka fahefana amin’ny […]