Nanao fanambarana ny mpitondra tenin’ny departemantam-panjakana amerikanina, i Matthew Miller, manoloana ny fifidianana farany teo. Miantso ny Ceni izy ireo hamaha ireo olana niseho. Takiny koa ny governemanta hanadihady amin’ny antsipiriany ireo tsy fahatomombanana sy ireo voalaza fa hosoka. “Tokony hirosoana ny fanavaozan-drafitra samihafa navoitran’ireo mpanara-maso ny fifidianana malagasy sy ny iraisam-pirenena, ary jerena akaiky ireo filàna sy fanirian’ny olom-pirenena”, hoy izy.
Niteraka ahiahy ho azy ireo koa ka tokony harenina ny zotram-pifidianana ho fiantohana ny filaminana sy ny hoavin’ny firenena. Maro ireo mpanara-maso nahatsikaritra tsy fahatomombanana nandritra ny zotram-pifidianana. Maro koa ireo soso-kevitra fanatsarana taorian’ireo fifidianana natao ny 2018 sy 2019 nefa tsy mbola tanteraka, araka ny fanambarany hatrany.
Etsy andaniny, mangataka i Etazonia mba haneho fahavononana hatrany hanaja ny zotra demokratika, ny Lalàmpanorenana sy ny tany tan-dalàna ny fanjakana. “Mendrika sy miandrandra fifidianana malalaka sy madio, tanterahina ao anaty filaminana, ary fanjakana tsara tantana, ny vahoaka”, hoy izy. Niantso ny governemanta hampitombo ny fahatokisan’ny vahoaka ireo rafi-panjakana ao aminy sy hiantoka ny fahamarinan’ireo fifidianana ho avy.
Nohelohin’i Etazonia koa anefa ny herisetra amin’ny endriny rehetra.
Synèse R.




