Ramakavelo Désiré : “Tokony hijoro sy hiray hina ny tanora”

« Tsy miray hina, samy maka ho azy ary samy mandeha samy mitady, anisan’ny olana eo amin’ny tanora ka mamotika ny hoavin’izy ireo ankehitriny », hoy ny jeneraly Ramakavelo Désiré, raha nanontaniana tetsy Anosy, ny faran’ny herinandro teo. « Tokony hiray hina sy hijoro, tsy hanongana fa mijoro tsy hanaiky ny fanapotehana ny hoavin’izy ireo ny tanora satria tompon’ny hoavy izy ireo», hoy hatrany izy. Velom-panantenana tanteraka amin’ny tanora aho rehefa miray hina sy miara-mientana hiaro ny hoaviny izy ireo. Tsy tokony hiandry hevitra avy atsy sy avy eroa ny tanora fa izy ireo no tompon’ny hoavy. “Izay be no basy, hoy ny ohabolan-drazana. Nohamafisiny fa tsy ny olona mitondra basy no matanjaka fa ny firaisan-kina no hery. « Ny fahavononana sy ny fiaraha-mientan’ny tanora no tena ilaina hanatrarana ny tanjona », hoy hatrany izy. Ankoatra izay, tena ilaina ny fanabeazana. Manomana olona ho ray sy reny tomponandraikitra izany. Manomana olona hanana fahalalana sy hahazo toerana kosa ny fitaizana.

Mino

Partager sur: