« Marina mafy »: anolotra seho fampihomehezana i Joely

Hatrany ivelany no efa manana sy nahatafapetraka ny anarany i Joely, raha eo amin’ny tontolon’ny hatsikana sy ny fampihomehezana. Raha tao anaty tambajotra no anisan’ny nahafantarana azy. Ho avy ny seho sehatra « Marina mafy ».

Hifanome fotoana, etsy amin’ny Lapan’ny Fana­tanjahantena sy kolon­tsaina Imahamasina, ny 13 sep­tambra ho avy izao, i Joely, mpanao hatsikana, mpampihomehy sy ireo mpankafy ny sanganasany. Raha ny fanazavana nataon’ny mpikara­kara, Ivenco sy Orange Mada­gascar, teny amin’ny Gara Soarano, omaly. Ito seho nam­pitondraina ny lohateny « Ma­rina mafy » ito no fampiseho­ana momba ny fampihome­hezana voalohany, hatao ao amin’io toerana io. Nambaran’ ny tomponandraikitra fa « ho hita sy heno ary hianohana mandritra ity seho ity ny tsiki­tsiky, hehy, vazivazy, anatra, hafatra…!” .
Nilaza i Joely fa  hiompana tanteraka amin’ny fahazazana ny seho handeha amin’io fotoana io. “Hiompana kokoa amin’ny fahazazako ny seho, saingy, mifandray amin’ny fahazazana nolalovan’ny Ma­lagasy maro”, hoy i Joely. Manana tanjona manokana hanaovana ny seho tahaka izao izy, raha ny nambarany. “Tanjoko manokana hanao­vana ity dia ny hamerina ny voninahitra sy ny hasin’ny sehatry ny fampihomehezana eto Madagasikara”, hoy izy nanamafy izany.
Maharitra adiny telo eo ho eo ny hanehoan’i Joely ny ta­lentany mandritra ny seho « Marina mafy ». Fizarana voa­lohany, hisy mpanao hatsi­kana sy mpampihomehy efatra, hanapa-tsinay ny mpijery. Marihina fa manohana hatrany an’i Joely, ny orinasa Orange Madagascar, ary efa naharitra dimy taona teo ny fiaraha-miasan’izy ireo. “Hisaorako manokana ny Orange, izay nano­hana ary nanaja tanteraka ny fiaraha-miasa hatramin’izay. Ary ny hirariako dia ny hitohizan’izany ho maharitra kokoa”, hoy i Joely.

Fitia Randria

Partager sur: