Hatao any Morondava, faritra Menabe, ny 14 hatramin’ny 18 septambra 2026 ho avy izao, ny taombaovao iraisan’ny Malagasy na ny fankalazana nasionalin’ny Lohataona 2026.
Fotoan-dehibe hampivondronana ny Malagasy mba hampiseho ny fihavanana, ny firaisankina ary ny firaisam-pirenena ny fankalazana, raha ny fanambarana nataon’ny komity mpikarakara tetsy Antaninarenina, omaly. Hiavaka ny hetsika raha oharina amin’ny teo aloha. Hasongadina manokana ny harena mahakasika ny tantara, ny kolontsaina, ny ara-drazana ary ny lafiny fizahantany ananan’ny faritra Menabe. Ankoatra izay, fotoana iray hahafahan’ireo Malagasy avy amin’ny faritra samihafa mihaona, mifampizara ny fomba amam-panaony ary mampita amin’ireo taranaka ny soatoavina sy ny vakoka ara-kolontsaina malagasy ihany koa izany. Etsy ankilany, hivondrona any an-toerana avokoa ireo solontena avy amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara. Ahitana ireo manam-pahefana ara-panjakana sy ara-drazana, mpisehatra ara-kolontsaina, ny tanora, fikambanana sivily ary ireo mpiara-miombon’antoka nasionaly sy iraisam-pirenena.
Zavatra maro no hita any, toy ny fanokafana ny diabe ara-kolontsaina, ny vovonan’ny raiamandreny ara-drazana, ny nofon-kena mitam-pihavanana, ireo fihaonambe sy fifanakalozan-kevitra ara-kolontsaina, ireo fampirantiana asa tanana ary ny fampisehoana ara-javakanto sy ara-drazana sy ny maro hafa. Tanjona ny hahatonga an’i Morondava ho toerana lehibe ifanatonan’ny kolontsaina malagasy sy ny fihavanana, amin’ny alalan’ny fanasongadinana ny fahasamihafana. Ny kolontsaina ho harena ary ny firaisam-pirenena ho hery.
Mino




