Veloma farany an’i Delacre. Nifanotrona tamin’ny fianakaviana tany an-tranony, tonga teny amin’ny Tranompokonolona Analakely nanomezam-boninahitra azy, avy eo teny amin’ny Ekar Antanimena ary nanatitra azy teny amin’ny fonenany farany eny Soavina ireo mpanakanto namana sy mpankafy azy. Nampirotsaka ny ranomason’ny maro ny nisafidianana ny hirany tamin’ny fidirana tao am-piangonana. Mitoetra mandrakizay ny sanganasany.
« La Nouvelle Terre ». Tanterahina manomboka ny 6 janoary 2023, eny amin’ny Hakanto contemporary Ankadimbahoaka, ny fampirantiana « La Nouvelle Terre ». Ny fitiavan-tanindrazana sy ny momba ny tontolo iainana no tena hasongadina ao anatin’izany, ary Malagasy mpahay kanto dimy no miara-misalahy manatontosa izany.
Seranam-piaramanidina Ivato. Nisokatra ny faran’ny herinandro teo, ny hetsika ara-javakanto eny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato. Aseho ao anatin’izany ireo haikanto maroloko, mampiavaka an’i Madagasikara ary mampiavaka azy ny fanehoana ny tantaran’ny seranam-piaramanidina Ivato.
Art sy Tenin’Andriamanitra. Mitohy hatrany ny hetsika fampianarana haikanto maro samihafa, larona fampianarana tenin’Andriamanitra, karakarain’ny fikambanana Antsamitady. Famoronana, fanodinana, fanaovana hosodoka no mandravaka ny fampianarana kolontsaina sy fahalalam-pomba ary fiainam-panahy ity.




