Tsy sasatra ny miantso vonjy ho an’ny vahoaka malagasy. Tsy reraka ny misintona lakolosy amin’ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Mandry andriran’ antsy ny vahoaka na an-drenivohitra na any ambanivohitra. Tsy lavitra an’Antananarivo, sady mandroba amim-basy no maka takalon’aina ny jiolahy. Tsy misaron-tava fa feno fahasahiana sy fihantsiana amin’ny mponina iray tanàna. Tsy afa-manoatra anefa fa atody miady amam-bato.
Mifanindran-dalana amin’izay, tsy azo hodian-tsy hita kosa ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana. Manao ny ainy tsy ho zavatra mba hifehezana ny zava-misy. Porofon’izany ny fandraisana andraikitra tany Ankazobe. Nazava ny baikon’ny jeneraly lehiben’ny Kaomandy ambonin’ny zandarimaria fa mila vokatra anatin’ny fotoana fohy izy. Nesorina tamin’ny toerany ny lehiben’ny zandary tany an-toerana. Efa fantatra ihany koa ny fandoto iray tandroka manimba ny fandio iray siny.
Zava-dehibe ny fandraisana fepetra, mifanentana avy hatrany amin’ny toe-javamisy any ifotony. Raha ny zava-miseho manerana ny lafivalon’ny Nosy dia filàna tsy maintsy hirosoana ny fanadiovana ny asam-panjakana amin’ny sehatra rehetra mihitsy. Tafahoatra ny kolikoly sy ny firaisana tsikombakomba, hamoretana ny madinika. Mahakivy sy mampatahotra izany handondona biraom-panjakana izany. Indrindra ireo « mpiasam-bahoaka », mihinana ny hetra alohan’izy ireo.
Avonavona, fampifilafilana, famezivezena mba hanaovana « mimi » na « hanta-piso an-kolaka », no zakain-dRamalagasy. Fahasorenana sy lonilony no aterak’izany. Tsy mahagaga raha mivaralila ilay fiarahamonina. Zary tandra vadin-koditra, sarotra tsaboina ilay kolikoly ka manome vahana ny tsy fandriampahalemana mifototra amin’ny valifaty. Loza efa mihatra amin’ny andavanandron’ny mponina.
r.r




