Lasa adihevitra sy mahabe resaka ny sasany eo amin’ny tontolo politika, amin’izao, ny filazan’ny eo anvon’ny Ceni: zara raha misy 10% ny fandraisana anjaran’ny antoko politika lehibe sy fiarahamonina sivily
amin’ny fanentanana sy fanabeazana olom-pirenena hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Nefa fanavaozana manontolo no atao. Nefa ireo karazana izany no tena fatra-panakiana. Tsy vitan’izany, eo ny fanenjehana fotoana hanombohana ny fitsapankevi-bahoaka na fifidianana amin’ny volana jolay 2027. Manoloana an’izany, misy mampiaka-peo ny antoko politika sasany fa tsy fahatokisana ny Ceni no antony. Ho tonga hatraiza?
Vao manomboka ny raharaha dia efa ifanenjanana sy ifanenjehana? Na anamarinan-tena, ifanomezan-tsiny, ifanilihana andraiakitra… Aiza na hanao ahoana ny hoe fanavaozana amin’izany? Indrindra ny fanavaozana toe-tsaina, fomba fiasa, fifandraisana… Raha samy manao ny asa aman’andraikiny amin’izay tandrify azy, araka ny didy aman-dalàna, ny isan-tsehatra sy isan’ambaratonga, tsara ary mafy orina ny fifandraisana sy ny fifampitokisana. Politika no antony? Na mibahan-toerana loatra ny politika amin’izay lazaina sy atao rehetra… Na kajikajy sy paipaika io, na tahotra sy ahiahy…
Ny fomba fiasa no mila fanovana na fanavaozana? Izay no hoe anisan’ny fositra sy fototra mahatonga ny fiverimberenan’ny krizy na korontana politika lava tsy mahafa-bela, raha ny fijerin’ny mpandinika sasany. Tsy hahaova inona izay rafitra sy lalàna, raha tsy ny olona no miova? Tia tanindrazana, marina, manana sy manaja etika amin’izay ataony eo amin’ny toerana misy azy sy izay andraikiny amin’izany. Mby aiza? Tena misy ve ny vonon-kiova alohan’ny hoe fanavaozana? Na ny olona no olana amin’izay atao…
R. Nd.




