Vahiny eto an-tanàna

« Baomba niampy baomba!?”, nilatsaka ny didy fa 10 taona an-tranomaizina, asa an-terivozona ny sazin’ny Jly Baomba na Ravalomanana Richard. Tsy hidirana lalina ny mahakasika ny raharaha ( jereo Pejy 2) fa aleo ny fomba fanaovana politika sy ny fomba amam-panaon’ny mpitondra no asian-teny, anio. Boribory vetaveta tsy mety tapitra ilay fandehan-draharaha. Tsy natokana ho an’olona keliendaka sy tsy mahazaka dona.
Ohatra ny tsy maintsy mifamaly faty izany ry zalahy kanefa raha zohina ny tantara, tsy misy olon-kafa fa ny eo ihany no mifandimbindimby. Mifamadibadika eny ny fahazoan-tseza sy ny fakana ny fahefana. Raha olona hafa toa sarotsarotra vao tafiditra. Tena efa tranga maningana mihitsy angaha vao mahita lalana ambanin’ny tany, hiakarana amin’ny toerana. Raha tsy izay, mitaky fankatoavana sy antoka amin’ny samy henjana vao mahita mangirana kely.
Ny raharaham-pirenena eto Madagasikara dia voafetra ho an’olom-bitsy, amin’ny ankapobeny. Efa voazarazara ny zava-drehetra. Fadiana mihitsy ny miditra anatin’ny sahan’ny sasany. Hatramin’ny andraikitra faran’izay kely aza, efa manahirana ny any anatin’ny sampandraharaha isan-tsokajiny any. Vahiny an-tanindrazana ny tena, rehefa tsy iray tarika amin-dry zalahy.
Manjaka loatra ny fifanilihana eto amin’ny tanàna. Samy miketrika ny azy manokana, fa tsy misy itambaran’ny besinimaro izany. Tsy mahagaga raha mifanagadragadra eto avokoa aloha. Izay afa-mitsoaka dia lasa mitsoaka, ny taraiky miaritra ny valifaty. Ekena fa tsy azo ekena ny tsy maty manota. Mila fanavaozana tanteraka koa ny fomba fanaovana politika. Tanjona ny mba hirindran’ny fiaraha-monina, amin’ny alalan’ny fanaovana politika madio.
Raha fehezina ny resaka, mila foanana ny politikan’ny fifampiandrasana kendry tohina.

r.r

Partager sur: